HO AN’IZA NY AMBASADY ?

Iza marina àry izany ireo mameno ny ambasady?
Ireo mpamadi-palitao, mpanao afera, kamarady,
Sy ireo efa ratsy laza, tena mendrika hogadraina,
Saingy alefa mba hitsoaka fa “iray vatsy iray aina”?

Ny ambasady no novana ho karazana garazy
Entina mba hialofany ary hanavotana azy,
Fa raha mbola eto an-tanàna, tsy hijanona ny feo,
Ka hiakatrakatra hatrany ho fanenjehana azy ireo?

Iza marina àry izany ireo mameno ny ambasady?
Sa iretsy “gasy tapany” izay mpamarina any an-kady?
Havanana amin’ny teny ratsy, indrindra indrindra ny ompa reny,
Sady mpanandevo ny hafa no tsy dia madio fiteny?

Inona àry no antenaina ny amin’ny olona toy ireny
Izay hambara tsotr’izao fa “henatry ny fireneny”?
Ry mpitondra o! mihevera, dia meteza hanadihady.
Tsy hitoeran-jiolahy no nanokafana ambasady!

DADAN’i RIANA (23-01-22)