NY LOHANY INDRAY NO MATSATSO

Rehefa mpitondra no tsy modely
Tahaka ny ataonao ry boaikely,
Dia mino izahay fa tsy hanarangarana
Sy tsy hisy eto ny fivoarana!

Hanao arovava aza dia tsy mety.
Manivaka foana, te ho vedety?
Dia inona izany no hevitrao
Amin’ny hanasaziana ireo tsy manao?

Raha ny amin’ny fanaovana vakisiny,
Dia tena ianao no mahazo tsiny
Raha toa mbola telo amin’ny gasy zato
No hany nanao izany tato ho ato!

Ianao no fitaratra ho amin’izany,
Jeren’ireo olona ery ambany.
Kanefa tsy tantiny sy tsy tohany
Rehefa tsy ianao indray no indro “lohany”!

Ka aoka ho fianarana ho an’ny hafa
Rehefa mijoro ary koa mitafa,
Fa aza manivaka n’aiza n’aiza
Tahaka ny zaza tsy tsara taiza!

TSIMIMALO (24-01-22)