ANDEHA JEREO IREO TRA-BOINA

Lany tamin’ny rendrarendra ve ny volam-panjakana?
Lany tamin’ny hoerahoera sy karazam-pilibana,
Ka “mpanao an-tsitrapo” no hany sisa mba antsoina,
Hijery sy hanome sakafo iretsy havana tra-boina?

Be ireo niasa teo aloha no efa tena niala maina.
Arirarira ny karama, tsy araka ny nantenaina.
Ireo mpanampy ny mpitsabo, mbola miantso tsisy farany,
Saingy hatreto, mbola tsy azo izay mba valin-kasasarany!

Tena tsy hainareo mpitondra ve ny atao hoe fitantanana?
Tsisy ve ny fitsinjovana, tsisy ve ny fiomanana,
F’efa mihatra irony loza, mby an-koditra ny voina,
Izay ny tsara sitrapo vao modimody mba antsoina?

…Fitondrana bokan-trosa izao mijoro etoana izao.
Ny zavatra tsy mahamaika no ilofosany hatao.
Ireo “mpanao an-tsitrapo” no hany azony alaina,
Mba hiasa maimaimpoana fa tsy hoe hokaramaina.

Izy hatrany no miletra sy mihinana ny ventiny.
Ny karaman’ireo mpiasa dia ahodiny sy alentiny.
Izany ilay “manara-penitra” izay hindraina sy deraina,
Ka dia asa ihany isika raha tsy mbola ho tonga saina!

RAINILAIKELY (22-01-22)