RY BEBAOTY NALEFA HANDOATRA O !

Sary nindramina

Izao sisa ve ireo akama mavitrika
Fatra-panohana volomboasary?
Tsy aleo ve ry nama mba misitritsitrika
Fa mahamenatra be amin’ny sary?

Ny rano efa tondraka sy tena nihoatra,
Dia izay ireo mpitondra vao mba tonga saina
Ny handefa anareo hanadio sy handoatra
Ireo fako sy loto efa mampitaraina?

Nankaiza ireo tompon’andraikitra maro?
Nankaiza izy ireo fony maina ny tany?
Efa tonga ny loza ve vao mahatsiaro
Ny hampanadio irony faritra ambany?

Dia izao koa ny baiko vao miala any ho any
Fa hoe misy harodana hatramin’ny trano?
Dia ho aiza ny mponin’ny tanàna ambany,
Sa ‘zao ve no vokatr’ilay velirano?

…Raha azo natao izao ny nampisalorana
Volomboasary an’iretsy bebaoty,
Dia kinga dia kinga ianareo fozaorana
Ny nampiakanjo sy nandefa naoty.

F’angamba efa tena madiva ho lany
“Ny paiso ao an-kady” ka tsy afa-nanoatra
Ary dia ireo fitafy fanaovana ihany
No nampiakanjoana an’iretsy mpandoatra!

DADAN’i ZINA (22-01-22)