Lakandranon’Antananarivo – Maintany ny ekipan’i Lalao Ravalomanana tamin’izany dia efa niasa

Niaina

Samihafa ary atsimo sy avaratra mihitsy ny zava-misy amin’izao fotoana, sy tamin’ny nitondran’i Neny Lalao Ravalomanana ny tanànan’Antananarivo. Tamin’ny nitondran’i Neny ny tanàna, maintany dia efa nanadio ny lakandrano sy ny tatatra rehetra teto an-drenivohitra ny ekipan’ny kaominina tamin’izany, samy nandray ny andraikiny na ny tao amin’ny fiadidiana ny tanàna foibe Analakely, na ireo delege isaky ny Boriboritany miisa 6 sy ny ekipany. Amin’izao itondran’ny Ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina izao, tsy nisy ary tsy misy izay fiomanana amin’ny fotoam-pahavaratra izay, koa tsy nahagaga raha dobo rano ny faritra maro teto an-drenivohitra tamin’ity herinandro ity.

Tamin’ny andron’ny kaominina teo aloha anefa, vao mitsahatra ora vitsy ny orana dia efa midina koa ny rano tamin’ny faritra maro dibodrano. Tamin’izany, fitaovana sy mpiasan’ny kaominina no manadio, tsy mila foloalindahy sy polisy nanampy dia efa vita ny asa, na tsy nisy fanampiana avy tamin’ny fitondrana foibe aza tamin’izany fotoana. Hita ho tsy mahay mitantana sy mijery lavitra mihitsy ny mpitondra ny tanàna amin’izao fotoana, sy ny fitondrana manontolo tarihan’ny filoha Rajoelina mihitsy.
.