Boriboritany faha-3 – Tsy mijery fotsiny ireo traboina ny antoko TIM

Isambilo

Amin’izao fisian’ny traboina eto Antananarivo sy ny manodidina izao, noho ny tondra-drano sy ny trano na tany nihotsaka, mitondra fanampiana ho azy ireo koa ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Toy izany no nataon’ny avy amin’ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity tao amin’ny Boriboritany faha-3. Tsy nijery fotsiny ireo vahoaka traboina tratry ny ranobe teny Ankorondrano ny antoko Tim, fa nisy ny fanampiana nentina ho azy ireo teny an-toerana. Nitarika, nitondra ny fanampiana tamin’izany ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM Riana Randriamasinoro, sy ny solontenan’ny depiote Feno Ralambomanana, voafidy tao amin’ny Boriboritany faha-3. Sakafo, kojakoja samy hafa ilain’ireo traboina amin’ny fiainana andavanandro no nentin’izy ireo tamin’izany.