Filoha Marc Ravalomanana mivady – Mamporisika ny rehetra hanao vaksiny hatrany

Helisoa

Mirongatra indray amin’izao fotoana izao, ny valanaretina CORONAVIRUS eto amin’ny firenena ary tato anatin’ny fotoana fohy dia maro ireo namoy ny ainy vokatr’izany. Efa afaka manao vaksiny andiany fahatelo, fatra fanampiny izao ny eto Madagasikara ary maimaimpoana izany vao andro vitsivitsy izay. Tsy nangatak’andro araka izany ny filoha Marc Ravalomanana mivady, fa avy hatrany dia nampiseho ohatra tsara ho an’ny vahoaka Malagasy, ka nanao io vaksiny andiany faha 3 io ny tenany sy ny fianakaviany teny Andraharo foiben’ny Firenena Mikambana eto amintsika.

Teo dia nitaona ny olona mbola misalasala hanao vaksiny ny filoha Marc Ravalomanana mivady, fa tena tsara io ary io ihany no fiarovana tena tsara, mba tsy hahavoa ny valanaretina Coronavirus, hoy izy ireo. Miantso ny mpitondra fanjakana koa ny filoha Marc Ravalomanana, mba hanome ohatra tsara ho an’ny vahoaka Malagasy, fa rehefa salama dia afaka miasa sy mandroso ny firenena.