Veliranon-dRajoelina – Toa mitondra loza hatrany isaky ny volana janoary

Andry Tsiavalona

Nitalao nangataka ny ilatsahan’ny orana tamin’ilay Mpahary izao rehetra izao ny Malagasy, satria maina ny tany ary na ny rano nosotroina aza nanahirana. Namaly ny hataka Izy, nomeny be dia be mihoatra lavitra noho izay ilaina ny Malagasy. Ny azo lazaina dia toy ny loza nihàtra tamin’ny valanaretina covid-19 ihany no miseho amin’izao fotoana izao, noho ny nanamaivanan’ny mpitondra ny mety ho fiantraikan’ny aretina eo amin’ny sehatra rehetra.

Nilaza tokoa tamin’izany fotoana izany ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy, fa tsy mafy noho ny kolerà sy ny pesta izay efa nandalo teto ny covid-19. Navela nisokatra foana ny sisintany na teo aza ny antsoantson’ny vahoaka, ka efa nihanaka ny valanaretina vao niala ilany tamin’ny fanambarana fa nahita fanafody nentina niady tamin’ny aretina ny mpitondra. Tsy nampiova na inona na inona teo amin’ny fiainan-dRamalagasy sy ny firenena aty Afrika nampiasa azy anefa ny CVO. Tsy nieritreritra ny zava-doza mety hateraky ny fanotorana ny lemak’i Betsimitatatra, rehefa tonga teo amin’ny fitondrana Rajoelina Andry, ka nanao ho laharampamehana ny tetikasa Tanamasoandro nokasainy natsangana teny Ambohitrimanjaka. Soa ihany fa nanohitra izany ny mponina fa raha tanteraka tokoa ity tetikasa ity dia mbola ho zava-doza mihoatr’izao no nitranga teto an-drenivohitra.

Ho setrin’izany, angamba, dia mety ho anisan’ny “veliranon’Iarivo” napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo ankehitriny ny fanomezan-dàlana ireo vahiny hanototra ireo antsoina hoe “bassins tampons”: marais Masay, Andohatapenaka, Ankadimbahoaka, Ankorondrano, Tanà Water Front, sns,… ka tsy misy làlan-kivoahana intsony ny rano. Manampy trotraka izany ny fahatsentsenan’ny lakandrano eny amin’ny faritra iva noho ny fanorenana trano tsy manarapenitra eran’ny tanàna. Izay aleha rehetra dia dibo-drano ary efa maro ny trano tsy azo honenana intsony satria hatreny an-dohalika ny rano. Nihazakazahana ny nampitandrina ireo mponina eny amin’ny faritra avo, fa mety hihotsaka ny tany kanefa tsy nosainina izay toerana azo hialofan’izy ireo. Lehibe ary omby olona aman’hetsiny ny ambanin’ny “gradins” ao amin’ny kianjan’i Mahamasina, ka tsy ho haingo tanàna fotsiny no nananganana azy io, fa azo hampiasaina tsara hanavotana ny mpiray Tanindrazana amin’izao toe-javatra sahala amin’izao.

Etsy ankilany anefa dia nataon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ambanin-javatra ny nisikotra ny lakandrano eny an’elakelan-trano rehetra ireny sy nanala ireo fako manentsina ny “Canal Andriantany” eny amin’ny tetezana Ampefiloha, ohatra. Nahemotra tamin’ny alatsinainy lasa teo ny fidiran’ny mpianatra raha tokony ho tamin’ny alatsinainy heriny izany noho ny valanaretina. Noho ny rotsak’orana be anefa dia dibodrano hatramin’ny sekoly, ka nasaina nody ireo mpianatra tao amin’ny CEG Ampefiloha ny talata lasa teo, satria manasa-dranjo ny rano tao an-dakilasy. Tsy tonga irery tokoa ny loza araka ny fitenenana vahiny, ka ho an’i Madagasikara, ny covid-19 tsy resy ary tsy mbola manana paikady iatrehana sy handresena izany ny mpitondra kanefa miakatra isan’andro ny isan’ny lavo.

Tonga indray ny tondradrano, amam-polony no maty, miakatra aman’alina ny isan’ny traboina, ka tsy fantatra intsony izay tokony ho “velesina”, ankoatry ny rano, rehefa mampanantena tetikasa ho tanterahina ny kandidà amin’ny fifidianana, zavatra hafa tenenina fa tsy velirano, mba tsy hitera-doza isaky ny mitsidika ny taona vaovao, sy ny fitsingerenan’ny 19 janoary nanaovan-dRajoelina fianianana, izay tsy nisy baiboly. Mety izay no anisan’ny anton’izao loza miverimberina eto amintsika izao, rehefa mitsingerina io daty io: teo ny vatobe nianjera, ny tondra-drano,…