Vehivavy TIM Analamanga – Hanampy ireo namany traboina

Helisoa

Nivory omaly alarobia tao Bel’Air ny Vehivavy Tiako i Madagasikara, TIM Analamanga. Araka ny maha mpikambana ny vehivavy TIM ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara dia notaizan’ny filoha Marc Ravalomanana tsy hanao ambanin-javatra ny lafiny sosialy sy fijerena ny olona sahirana, indrindra amin’izao loza mihàtra vokatry ny rotsak’orana teto Antananarivo izao ny mpikambana. Vokatr’izany, nanapakevitra ireo vehivavy TIM, fa ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fifampiarahabana tratry ny taona izay nokasaina hatao ny sabotsy 5 febroary ho avy izao ao Bel’Air noho ny zavamisy iainan’ny vahoaka traboina amin’ny resaka rano be eto Antananarivo.

Maro ireo vehivavy TIM no traboina vokatr’izany, ka tapaka fa hitondra izay mba voatsirambin’ny tanana ho azy ireo ny vehivavy TIM ny zoma 28 janoary ho avy izao. Ny fanangonana ny fanampiana amin’izany dia ny alarobia 26 janoary. Raha misy afaka manampy ireo olona tsara sitrapo dia ho raisin’ny Vehivavy TIM an-tanandroa izany ho mariky ny firaisankina.