17 Janoary 2009 – 17 Janoary – Lasa kianja voarara ilay kianjan’ny demokrasia

Ny Valosoa

Ny Talata 13 Janoary 2009 no nanao fanambarana ny Ben’ny tananan’Antananarivo tamin’izany fotoana, izay filoha amin’izao fotoana, fa hatao “Kianjan’ny Demokrasia” ny kianjan’Ambohijatovo, izay kianja tantanan’ny Kaomin’Antananarivo Renivohitra, ka ny Sabotsy 17 Janoary 2009 no notokanana io kianja io, Ingahy Ben’ny tanàna izay nitokana ilay kianja dia nanambara fa ny atao hoe “kianjan’ny demokrasia ” dia kianja ahafahana maneho hevitra ankalalahana ary ahazoana mamory olona, tsy mila fahazoan-dalana avy amin’ny Kaomina na ny Prefektioran’ny Polisy eto Antananarivo Renivohitra.

Nandritra io fitokanana io dia nomena vahana tamin’ny fandraisam-pitenenana ny fanenjehana ny Filoha Marc Ravalomanana, ireo mpanao politika zatra ny lalan-dririnina tamin’ny fanaovana gaboraraka, tapa-tenda noho ny fandraisan’andraikitry ny fitondrana notarihan’ny Filoha Ravalomanana, no nibarareoka teo Ambohijatovo.

Ny Sabotsy 24 Janoary 2009 no fihaonana faharoa teo Ambohijatovo, sady farany, satria tamin’io andro io no nilaza Ingahy Filoha ankehitriny, fa nanomboka tamin’io dia izy no mibaiko ny mpiasam-panjakana, ny miaramila, ny zandary ary ny polisy, ary nambarany ihany koa fa tsy misy intsony ny fihaonana eny Ambohijatovo fa manomboka ny Alatsinainy 26 Janoary 2009 dia eny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey amin’izay no fihaonana ary atao isan’andro izany.

Mbola ho resahina eto amin’ny Gazety Ny Valosoa Vaovao ny mikasika ny zava-nitranga ny 26 Janoary 2009, fa ny azo lazaina dia maro ireo zava-doza nitranga, izay tsy maintsy tonga tany amin’ny fialan’ny Filoha Ravalomanana sy ny fahazoan’ny Filoha ankehitriny ny fitondrana ny 17 Martsa 2009, ka nametrahana azy ampahibemaso teo Mahamasina ny 21 Martsa 2009.

Io Sabotsy 21 Martsa 2009 io no nihetsika ireo vahoakan’ny Filoha Ravalomanana, nihaona voalohany teny Ambohijatovo, tsy mbola nisy mpanao politika nitarika, fa dia vahoaka tsotra nentanin’ny fitiavana ny Filoha Ravalomanana no nifamotoana sy nifampitaona ary nanambatra ny heriny, ny Alatsinainy 23 Martsa 2009 vao tonga nitarika ny hetsika, ireo mpanao politika samihafa izay samy mpomba ny Filoha Ravalomanana. Nisy isan’andro ny fihaonana teo Ambohijatovo, ny Alakamisy 26 Martsa 2009 no niditra mivantana tamin’ny telefonina teny Ambohijatovo ny Filoha Ravalomanana, nampihetsipo ireo vahoaka mpitolona ny fahenoana ny feon’ny Filoha Ravalomanana, ka maro ireo faly sy velombolo, tsy vitsy koa ireo latsa-dranomaso.

Nahazo vahana ny tolona taorian’ny fahenoana ny feon’i Dada, noho izay antony izay dia nanapa-kevitra ny mpandroba fahefana nanakatona ny kianjan’Ambohijatovo, ilay nodradradradraina hoe: “Kianjan’ny Demokrasia”, nofenoina miaramila sy zandary niantrana am-bavabasy teo ambavahadin’ny kianja, nanomboka teo dia lasa “kianja voarara” ilay “kianjan’ny demokrasia”.

Ny 17 Janoary 2012, nanampikasana hametraka fehezamboninkazo teo amin’ny “Kianjan’ny Demokrasia” teo Ambohijatovo Ny Filoha Zafy Albert mivady, kanefa dia noraran’ny mpitandro filaminana teo ambany fitarihan’ny Jeneraly Richard Ravalomanana izany, teo amin’ny vavahadin’ny Kianja aty amin’ny ilany andrefana no napetraka ilay voninkazo, tsy vitan’izany fa mbola napoaka ny baomba mandatsa-dranomaso nanempotra ny Filoha Zafy Albert mivady izay efa samy feno 80 taona mahery tamin’izany. Tsy nahazo alalana intsony niditra tao Ambohijatovo ny Filoha Zafy Albert, fa ny tsangambato misy ny sariny no najoro tao anatin’ny kianja, ka ny mapme na mampihomehy araka ny fitenin’ny tanora ankehitriny dia tsy kianjan’ny demokrasia intsony Ambohijatovo na dia misy ny sarin’ny Filoha Zafy Albert aza, fa “Parc bootanique” indray hono, ny tena marina dia “Kianja Voarara” no anarana sahaza ny kianjan’Ambohijatovo.