Depiote Todisoa, lemak’i Betsimitatatra – Miasa ny depiote TIM, nanampy ireo mpamboly vary

Niaina

Lemak’i Betsimitatatra boriboritany faha-4 Antananarivo Renivohitra: Ambodimita Ambohimanarina. Nanampy ireo tantsaha mpamboly vary ny depiote avy amin’ny antoko TIM, Todisoa Andriamampandry.

Fararano ny eny an-toerana amin’izao fotoana, satria miakatra ny vary aloha. Mitohy koa ny asa na dia miakatra aza ny rano. Mijinja vary, miara-mitaona, mively vary ary manala tsikafona miaraka amin’ireo tantsaha mba hanamora ny fivoahan’ny rano ity olom-boafidy ity. Nitondra fanampiana koa izy ho an’ireo traboina, satria dibo-drano avokoa ny tanimbary, amin’ny tanàna rehetra ambany tanàna. Miakatra ny rano vokatry ny fanotofana tanimbary, ny fahatsetsenan’ny lakandrano, ny fako miavosa sy ny tsikafona manentsina ny lalandrano, hoy ny depiote Todisoa.

Ankoatra izany, mankahery ireo tra-boina rehetra ary mampionona ireo izay namoy havana nohon’ny firodanan’ny trano fonenana ny tenany. Miantso ireo tompon’andraikitra rehetra izy, mba hanampy ireo tra-boina sy hijery ifotony eny an-toerana ihany koa. Na mpanao lalàna aza ny tenany, miara-miasa amin’ny tantsaha ihany koa amin’ny lafiny fampandrosoana toy izao.