Rano niakatra teto Antananarivo – Niteraka asa ho an’ny sarety ny fampitana olona

Niteraka asa hafa ho an’ny mpitondra sarety teto Antananarivo ny fiakaran’ny rano noho ny orambe ny alatsinainy teo. Nampiasain’ireo mpitondra sarety nampitana ny olona tsy hirobo-drano ny fitaovam-pitateran’izy ireo.

Toerana maro eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina no tondraky ny rano ny arabe. Maro amin’ireo mpandeha an-tongotra hamonjy to-ram-piasana sy toeram-pianarana, no voatery manala kiraro ka mirobo-drano. Ho an’ireo tsy te hirobo-drano kosa dia mitaingina sarety. Niteraka asa hafa ho an’ireo mpitarika sarety tokoa ity fiakaran’ny rano eto Antananarivo ity.

Anisan’ny ahitana izany ny eny amin’iny faritra Andravoahangy, Besarety, ary Isotry iny. Araka ny filazan’ny mpitarika sarety iray dia manomboka amin’ny 500 Ar, ka hatramin’ny 1000 Ar ny saran-dàlana alain’izy ireo amin’izany.