CTC-19 eny Alarobia – Nisy ireo maty noho ny kitoatoa sy tsy fahampiam-pitaovana

Beharo

Mihazakazaka be amin’ izao fiandohan’ny taona 2022 izao, ny voka-dratsy ateraky ny vala-naretina Covid-19 eto amintsika. Tsy latsaky ny 50 isan-kerinandro ny isan’ireo maty, ka ny eto amin’ny faritra Anala-manga no tena voa mafy amin’izany. Nisy ireo nihorin-koditra raha nandre tamin’ny herinandro voalohany teo, teny amin’ny CTC-19/Alarobia, fa 20 ireo namoy ny ainy tao, noho ny kitoatoa sy ny zavatra tsy ampy teny an-toerana, izay nampitaraina ireo havan’ ny maty.

Ny mpanao gazety koa niezaka nanatona mpitsabo mpanampy na mpanampy mpitsabo teny akaiky teny, izay nanamarina fa anisan’ny fositra tamin’izany ny fahataran’ny Oxygene tonga teny an-toerana, tao koa ny areti-mitaiza atao tsinontsinona miampy ny tsy fahampian’ireo dokotera matihanina eny amin’ ity CTC ity. Izany hoe: ny momba ny oxygene ohatra, na dia tsy an-doavam-bola aza ny fitsaboana atao miaraka aminy dia eo ihany ilay fahatarana, ka lasa fahoriana, ny dokotera rahateo efa tsy ampy, ary mbola maro ireo tsy zatra mampiasa ny fitaovana momba azy ity, ka manao asa tandrevaka ihany, ireo Paramed no hianteherana kanefa misy ihany ny tsy fahatomombanana.

Ireo mpanampy sendra ny mpanao gazety, avy amin’ny Croix-Rouge, dia nanamarika fa ny covid-19 ihany no tena imasoany na dia misy aza aretina hafa mitaiza ny marary iray, izay nosoritany fa handoavam-bola hafa mihitsy nefa dia mety hifangaro amin’ity fitsaboana valanaretina coronavirus ity, raha toa ka tsy jerena haingana eo anatrehan’ireo mpitsabo tompon’andraikitra, nefa dia mampitombo ny isan’ ireo maty hatrany. Mitombo hatrany ny isan’ireo nodimandry, miakatra ihany koa ny mitondra ny tsimokaretina corona, nefa mbola maro ireo tsy taitra hono satria na ilay serasera tokony hamoaka vaovao isaky ny atoandro aza toa tsy hita intsony, ireo tompon’andraikitra tsy fantatra mazava, ny filoha rahateo tsy re feo intsony isaky ny alahady toy ny nataony tamin’ny taon-dasa.

Eto am-pamaranana, nilaza ireo mpanampy sendra ny mpanao gazety, fadio ny mivezivezy eny amin’ ny toerana fitsaboana toy ireny, aoka ho mailo hatrany sao ho voan’ny valanaretina amin’ ny tsy ampoizina.