MINISTRA EDGAR R. – Vidim-piainana tsy voafehiny koa teleferika no maha-maika

Stefa

Tsy mitsaha-midangana amin’izao fotoana ny vidin’ny zavatra ilain’ny mponina andavanandro eto amintsika, ary tena sahirana ny mponina satria ao anatin’ny maitso ahitra koa ankehitriny, izay fotoam-pahasahiranana ho an’ny mponina, indrindra ny amin’ny faritra ambanivohitra.

Tafakatra 3000 Ar ny kilaon’ny vary, 8000-9000 Ar ny litatra ny menaka, misonga hatramin’ny 18000 Ar ny kg ny hena, ny fanafody tsy taka-bidy nefa tena mbola ao anatin’ny ady amin’ny valanaretina coronavirus isika amin’izao fotoana, resaka fotsiny ny hoe maimaim-poana ny fanafody, fa rehefa marary dia tsy maintsy mividy rehefa te ho sitrana.

Ankilanin’izany anefa, tsy niakatra ny karama, tsy niakatra ny karama farany ambany na ny Smig. Maty noana ny vahoaka, mbola teleferika ihany koa no anterin’ny ministry ny varotra sy ny Indostria Edgar Razafindravahy fa tokony hatao.

Ho an’ny mpandinika ny fiainam-pirenena anefa, tokony hanamboaran-dalana hamoahana ny vokatra ny vola tokony hanaovana izany fitaterana mihantona izany, izay no maika raha hampitombo ny trosa ihany, miantraika amin’ny ankamaroan’ny Malagasy izany, fa tsy te-leferika tsy ho takatry ny sarambabem-bahoaka akory ny saram-pitaterany 3000 na 4000 Ar.