HIOVA HO PATY ?

Angamba dia hiova ny foto-tsakafo,
Ka tsy ho vary intsony fa asa atsy ho atsy.
Ny vidiny mantsy efa lafo dia lafo.
(Tsy takatra intsony raha atao vatsy!)

Kapoaka, mananika ny valonjato.
(Efa efatra arivo raha dimy kapoaka!)
Ny vidiny anefa misonga tsy miato,
Ka saino izay mbola hanjo ny vahoaka!

Nandrasana ihany ilay kapoakam-bary
Mba “manara-penitra” nohindrahindraina,
Kinanjo nijanona foana ho kabary
Sy teny natao hanodinana saina!

Ny sambo mpitatitra koa toa tsy tonga,
(Fa ny ambotaiazy ve no anton’izany?)
Ary vary mampangidihidy kilonga
No indreo fa mitobaka tsy mety lany!

…Ka angamba dia hiova ny foto-tsakafon
Ny gasy efa reraka sady mahia,
Ary “paty” no tsy ela, tsy mandany afo
Sy mba mampatavy raha “be am-bilia”!

IRINA HO TAFITA (15-01-22)