Tsy fantatr’i Rajoelina ny tena atao hoe fandrosoana

Ny Valosoa

Mailaka ery ny vavan’Ingahy Filoha milaza ny hoe izay mitsipaka ny “telepherique” hono dia tsy tia fandrosoana.

FA INONA NO ATAO HOE FANDROSOANA ?

Iray tamin’ny teny filamatry ny Repoblika voalohany ny “fandrosoana”, nesorina tao amin’ny lalampanorenan’ny Repoblika faharoa sy ny tapany voalohany tamin’ny Repoblika fahatelo, nony niverina teo amin’ny fitondrana Ny Amiraly Ratsiraka tamin’ny taona 1997, nokitihany ny lalampanorenan’ny Repoblika fahatelo dia naverina tao indray ny “fandrosoana” ary mbola ao hatramin’izao Repoblika fahaefatra izao.

Roso ny fototeny niavian’ny teny hoe “fandrosoana”, izay azo adika mazava hoe tsy mihemotra, fa mizotra mankany aloha.

Ilaina ihany anefa ny manantitrantitra, fa tsy izay mirentirenty sy mamirapiratra dia azo antsoina hoe fandrosoana, f’izay mitondra fahasoavana sy fitoniana ho an’ny vahoaka no mendrika ny anarana hoe “fandrosoana”.

Raha tsorina sy atao mahitsihitsy kokoa ny “fandrosoana”, raha eo amin’ny lafiny fitondram-bahoaka dia ny fikatsahana izay fomba rehetra manala ny fahasahiranam-bahoaka, sy ny mampisitraka an’ireo vahoaka ny sahaza ny hetra naloany, ary ny tsy azo amaivanina dia tokony hifanaraka amin’ny toetaniny sy ny tantarany ary ny kolontsaina azony, fa sanatria tsy hitomany randrana manendrika ny hafa, ilay sokajiana ho “fandrosoana”.

NY MPITONDRA NO MANAO IZAY HAMPISY NY FANDROSOANA

Manana adidy amin’ny fijerena izay mahasoa ny vahoaka izay mitondra, ka ny takiana aminy dia ny fahalalana ny antsoina hoe laharampahamehana sy filan’ny vahoaka andavanandro.

Tamin’ireo mpitondra nifandimby nandritra ny 60 taona mahery dia samy nanao izay ho afany avokoa, ireo nahazo fankatoavana avy tamin’ny vahoaka, afa tsy ny mpitondra ankehitriny izay tsy nitondra fampandrosoana sahaza ny vahoaka, fa lany andro manaratsy ireo nahavita teo aloha, ny “werawera” no lasa aloha fa tsy ny fijerena izay mety amin’ ny vahoaka .

Ny fanaovan-dalana mampifandray ny malagasy sy ivezivezen’ny vokatra no lohalaharana amin’ny asa fampandrosoana ny firenena, nahavita 9000 km mahery ny Filoha Ravalomanana nandritra ny nahateo amin’ny fitondrana azy, ireo filoha sasany samy niezaka arak’izay tratrany na dia tsy mitovy amin’ny vitan’i Dada aza, fa ity amin’izao fotoana izao ity dia” aotra” tanteraka, ny RN 13 tetikasan’ny Filoha Rajaonarimampianina, tokony ho efa natomboka efa ela, kanefa sendra ny mpitondra mitamatama, ka amin’ity taona 2022 ity hono vao hatomboka indray, kanefa efa nanaovan’ilay Filoha vavabe, fa tsy hanao politika intsony hono izy raha tsy vita io RN13 io, ny hany fara herin’Ingahy Filoha dia ny mitokana lalana rarivato 200 m, izay tokony ho tokanan’ny sefo fokontany.

LAZAINA HO FANDROSOANA NY RENDRARENDRA TSY MAHASOA

Milaza azy ho sangany amin’ny fampandrosoana Ingahy Rajoelina, ka mitanisa fandaharan’asa izay tsy misy fiantraikany any amin’ny fiainambahoaka,toy ny “kianja Barea” izay nandaniana volabe, kanefa dia niteraka fatiantoka makadiry ho an’ny firenena, satria tsy nitondra fandresena ho an’ny baolina kitra malagasy ilay kianja, fa vao nosantarina dia faharesena no azo, ny fahamaikana hitokana io kianja io ihany koa no namitahana ny vahoaka, ka nilazana fa voafehy hono ny koronaviriosy, dia io iaraha-mahita io fa mirongatra izy eto amin’ny Faritra Analamanga, ka hamoizana aina izay tsy mitsaha-mitombo ny isany, ary ilay kianja nidedahana dia kianja tafolanitra, ny tafo lanitra dia tsy manara-penitra, ny an’ny rehetra efa mitafo avokoa, sady ilay kianja mivadika ho “piscine olympique” rehefa mirotsaka ny orana.

Ilay fitaterana mihantona manao gorisagorisa eny ambony eny antsoina hoe “telepherique”, no ventesin’Ingahy Filoha ho “fandrosoana” goavana, dia sahin’ilay Filoha ny miteny hoe hampihena ny fitohanan’ny fiara sy manadio ny tontolo iainana hono, satria fitaterana tsy mamoaka setroka, manahirana ny miady hevitra lava amin’io resaka “telepherique” io, fa dia izay nambaran’ny Filoha Marc Ravalomanana no mazava indrindra dia ny hoe: tsy natao ho fitaovam-pitaterana ampiasaina amin’ny andavanandro ny “telepherique” fa natokana ho an’ny toerana tsidihan’ny mpizahatany.

FEHINY

Telo taona izay no lasa tamin’ny fotoam-piasan’ny filoha ankehitriny, tsy hita izay “fandrosoana”, f’ izay vitan’ireo nitondra teo aloha aza tsy hain’ny Filoha sy ny mpiara-miasa aminy ny manohy sy miaro ireo zava-bita.

Ampy hanarenana ny firenena sy hitondrana “fandrosoana”, ny fotoam-piasana dimy taona, voaporofo izany tamin’ny fitondran’ireo nitondra teo aloha, fa ny filoha amin’izao fotoana izao mihitsy no tsy hanao raha.

Ny vahoaka tsy bado akory fa manan-tsaina mandinika sy havanana amin’ny fampitahana ny nataon’ireo efa nitondra, ka raha “fandrosoana” no resahina, dia izay mpitondra mitsinjo ny fahasahiranam-bahoaka ihany no fantatry ny vahoaka ho nitondra ny “fandrosoana”, nampiakatra ny fahefa-mividy, nampisy ny fandriampahalemana, nahavita lalana, nahatafiditra an-tsekoly ny taranaka, nahazoana fitsaboana sahaza sns … Fa ny renty manadala sy ny ravoravo natentina, miampy bala rora tsy mamokatra toy ny ataon’Ingahy Rajoelina dia tsy “fandrosoana” no anarany, fa vao mainka aza fandetehana ny firenena any amin’ny lavaka mangitsokitsoka, noho ireo voalaza rehetra ireo dia tsotra ny amehezana azy: Rajoelina, filoha tsy tia “fandrosoana”, filoha tsy mahafantatra ny tena atao hoe: “fandrosoana”!