RY FIANGONANA O !

Ry Fiangonana o! nahoana
No mitazana eny ho eny?
Indro tonga ny fotoana,
Mijoroa, sahia miteny!

Ianao no vatan’i Kristy
No sady iraky ny lanitra,
Ka taomy indray ‘ty nosy ity
Hiverina amin’Andriamanitra!

Raha toa tampina ny lalana
Ka mitohy ny fifandonana,
Aoka tsy hihalangalana,
Mijoroa re ry Fiangonana!

Fa ianao no mpampiray,
Adidinao ny mampihavana.
Fisarahana, aok’izay,
Andeha soloy fifankatiavana!

Ry rehetra izay nirahina,
Vavaka no asandrato.
Ho to ny tsara nangatahina,
Rehefa io no atao tsy miato!

Dia meteza hanetry tena
Sy hanonona fifonana,
Mba handray ny famonjena,
Ny olonao ry Fiangonana!

Mijoroa koa hanazava
Hatramin’ny kizo sy aty lavaka,
Mba tsy ho jiro tapa-dava
Fa ho jiro tena miavaka!

DADAN’i ZINA (09-01-22)