HO AN’NY TANINDRAZANA SA HO AN’NY PAPAY ?

Moa ve manamboninahitra sa matim-boninahitra
Ireo nifety ka nampiasa indray ny lokon’ny papay?
Naka tahaka soavaly nohatavizina ao am-pahitra,
Ary notampena-maso ka nanjary jamba indray?

Impiry impiry moa ‘nareo no efa tena nihomehezana
Tamin’ity fisolelahana sy karazam-piandaniana?
Moa ny herin’ireo basy sy fanaovana letrezana
Dia ataonareo ho ampy mba hampisy fitoniana?

Ny vahoaka anie, tsarovy, raha mangina tsy miteny,
Tsy midika hoe ekeny ny hadalan’ny eny ambony,
Fa mba misy fetra ihany ny fanaovany ny “eny”.
(Maro ny hagegenareo no efa mandratra ny aty fony!)

Dia mba aiza ilay “be moana” izay fianatra eran-tany,
Sa ny eto “be marenina” sy “be jamba” no hany tazana?
Hany ka tsy mahagaga raha dia tena hoe “miandany”,
Fa tsy tena tarigetrany ilay “ho an’ny tanindrazana”?

Moa ny manam-bola hatrany no tompoina sy tohanana,
Na dia hita izao ny ataony f’efa ratsy, mampihoaka?
Eny mandra-pahoviana ny efa lo no mbola hotanana
Na dia hita f’efa tena mampijaly ny vahoaka?

TSIMIMALO (13-01-21)