Fihaonana an-tampon’ny IPS – Hatao eto Madagasikara amin’ny taona 2025

Aly

Na tsy lasa tany Quito renivohitr’i Equateur aza Pr Jonah Ratsimbazafy, izay filoha eran-tanin’ny IPS (International Primatological Society) ny herinandro teo, hanatrika mivantana ny fihaonana an-tampon’ ny IPS, fihaonamben’ireo mpahay ny resaka varika eran-tany, natao tany an-toerana, sy tokony hanao famindram-pitantanana amin’ny filohan’ny IPS amin’izao fotoana, afaka nandray anjara tamin’izany fihaonambe izany ihany izy noho ny fivoaran’ny teknolojia amin’izao fotoana, tamin’ny alalan’ny visio-conference.

Anisan’ ny tapaka tamin’izany, fa ho tanterahana eto Madagasikara amin’ny taona 2025 ny fihaonana an-tampon’ny IPS manaraka. Nisy ny fanambarana nataon’ny Pr Jonah Ratsimbazafy mahakasika izay: “vita io maraina io tamin’ny 1 ora sasany ny fivorian’ny Council IPS, izay naharitra adin’ny 4 ora sy sasany. Rehefa natao ny fifidianana miafina an’ireo mpikambana maneran-tany, solontenan’ny fivondronana amin’ny kaontinanta rehetra dia i Madagasikara, no lany fa hampiantrano ny kongresy IPS iraisam-pirenena manaraka amin’ny taona 2025. Nifaninana tamin’i Madagasikara tamin’izany i Afrika Atsimo. Afaka ny fitaintainana niandry ny valiny. Ny tenako sy ny namana Dr Kim Reuter, no nandresy lahatra ny mpifidy, fa vonona sy afaka handray tsara izany isika. Ny fifi-dianana no vita, fa ny asa goavana no miandry izao. Misaotra an’i Jehovah amin’ny zavatra rehetra. Efa napetraka taminy izany, ka sitrany matoa tanteraka. Tena tsy hay ny tsy hisaotra ireo rehetra nanohana ny fangatahantsika. Ny ministeran’ny tontolo iainana moa, no nanoratra taratasy ho fanohanana izany koa, sy ireo mpiara-miombonantoka eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana maro dia maro. Isaorana eto daholo ianareo tompoko”.