Miaramila am-perinasa sy misotro ronono – Marary ny foloalindahy Malagasy

Ny Valosoa

Araka ny vaovao voaray sy nohamarinina, misy amin’izao fotoana ireo miaramila am-perinasa sy misotro ronono sasany mimenomenona sy milaza ny tena zava-misy tamin’ny jery todika tao anivon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena. Amin’izy ireo, marary ny foloalindahy Malagasy ankehitriny, noho ny ataon’ny ministra tompon’andraikitra sy ny mpiara-miasa aminy. Toy izao izany fanambarana izany:

Fanavaozan-drafitra

Mahakasika ny fanavaozan-drafitra: fanavaozana aotra, mba tsy hilazana hoe tsy azo ampiasaina no natao, satria tsy nanaraka procédure, copie – coller ny tany Frantsa no natao. Ny antsoina hoe: ”Principe de défense” : dia tokony hiainga amin’ny concertation nationale, élargie, na fikaonandoham-pirenena ahafahana mijery ny :
– olan’ny fiarovana eto amin’ny firenena.
– fijerena ny politique de l’Etat, sy
– ambana ny filaminana sy fandriampahalemena (menaces à la Paix et sécurité).

Noho ireo dia tokony ho eken’ny malagasy rehetra ireo Ambana ireo, ka ankatoavin’ny parlemanta sy ny filankevitry ny ministra, amin’ny alalan’ny « Livre blanc », izay vao anaovan’ny departemanta ny programma amin’ny sécurité, ka ny concept de défense no anjaran’ny ministry ny fiarovana amin’izany ; izay vao mijery ny moyens d’exécutions na fitaovana sy ny hoenti-manana hampiharana azy, ahafahana mametraka sy manatanteraka ny tanjona ao amin’ny « livre blanc ».

Vokany :
– Tsy nisy planification na paikady ny asa 2021, manao asa an-tselika, (pilotage à vue), manao asana pompier, ohatran’ny opération tany Menabe ny Tafika;
– Tsy foana ny asan-dahalo, tsy nilamina ny tany,
– Nikoro tanteraka (désorganisation généralisée) ny Forces armées: tsy voakitika tamin’ny restructuration ny Gendarmerie Nationale (GN),
– Rafitra tsy miasa sy tsy afaka miasa, tsy misy vokany.
Rafitra famitahana mpitondra sy vahoaka tsy mahalala na inona na inona.
– Resaka tiana ho lava ny an’ny ministry ny fiarovam-pirenena, resaka sinema.

Fanamarihana :
Marihana fa ny resaka ZRPS dia tsy asan’ny ministry ny fiarovam-pirenena (MDN) amin’izao fotoana izao, fa famolavolana nataon’ireo teo alohany, hany ka tsy hainy tsara ny heviny, na ny fampiasana azy.

Fanafoanana sy tanjona ambadiky ny Service civique sy OTME

Marina fa ny service civique dia rafitra tranainy, fa tena manakaiky vahoaka, izay mbola 80% ny Malagasy no mapamboly sy mpiompy ka mila azy.

Ny OTME indray dia voafehin’ny fahendrena malagasy hoe : “Mahery tsy maody, tsy ela velona”; ny fanjakana dia hery (Forces), fahefana (pouvoir), kanefa kosa dia mila fiarovana sy tokony ho mailo hatrany, amin’ny loza maro mety hamingana na handavo azy, izay no nilana ny OTME, hanao ny asa atao hoe : Contre-espionnage eo amin’ny resaka cybernétique sy électromagnétique (réseaux sociaux, Internet, radio, informatique, sns…)
Ny fanafoanana ireo dia fambolena fahalemena ho an’ny fitondrana, mba hametra na hivangongo ao amin’ny MDN ny fiarovana sy fahefana ary hery rehetra iankinan’ny fitondrana.

Fehiny :

Poizina sy fitaka izao fanafoanana izao, tsy misy firenena tsy manana sampam-pitsikilovana.

Tsy mahagaga raha tafavoaka teto Madagasikara avokoa ny harem-pirenena (Volamena, vatosoa, sokatra, hazosarobidy, sns…

Famoronana sy fibakoan’ny MDN mivantana ny forces spéciales

Dia mbola fametrahana ny fitokisana amin’ny MDN irery ihany io ; kanefa: ny fanonganana sy fandravana fitondrana tanyAzia sy Afrique dia voamarina, fa ny olona eo akaiky eo ihany no nanao azy, noho ny fahatokisana be loatra sy fanomezana fahefana sy hery io olona io, ohatra ny nahazo an’i Thomas Sankara, ny tranga tao Mali sy Guinée tsy ela akory izay.

Aoka tsy ho hadino, fa ny MDN amin’izao dia mametraka eo amin’ny mpanao politika Malagasy (na mpanohitra na mpitondra), fa izy irery no mahay, diso anefa izany, ary izy no irery Général de corps d’Armée, grade ambony indrindra miasa.

Manana interêt ny haharava izao fitondrana izao sy hisian’ny tetezamita

Ny GFS dia eo ambany fahefan’i MDN mivantana dia mitovy tsy misy valaka toy ny an’i Colonel Goita tany Mali, ny an’i lieutenant colonel Doumbouya tany Guinée, izay samy nanao fanonganana avokoa. Mety hoy izy hoe: “aleo ho eo ambany fahefako io Président, mba tsy hisian’ny risika toy ny nataon’i colonel Charles sy Lylson, fa saingy tsarovy ihany President, hoe: iza no hahazo tombontsoa raha hisy ny tetezamita tantanin’ny miaramila toy ny any Soudan amin’izao?

Tsy fifehezana sy fibaikoana, iray tsy nahomby

Fibaikoana tsy manaraka principe de commandement, ary « émotif » no misy:
-Kendritohana : nosoloina ny responsable ny Renseignement teo anivon’ny Tafika, nefa tsy nisolo akory ny an’ny Gendarmérie nationale sy ny CIS ;
-Commandant de ZDS Mpangalana, niasa nandritra ny 1 taona, dia satria sahirana izy tamin’ny baiko tsy nahomby noraisina, tany Soanierana Ivongo, ka nampianjera hélicoptère, dia izay no nanasaziana olona, ka tsy nomena général.
-Noho ny fihenoana ny olona atokisana izay misekoseko (Col Rafidison sy col Rampanarivo, super ministres), mahasahy manimbazimba ny lehibe sy zoky, colonels sy généraux, dia tsy nomena général ny commandant de ZDS Andringitra.
-Fanagadrana olona tsy meloka tao amin’ny Bani ; noho ny fiarovana ny tena, dia tsy afaka niaro ny olona tafiditra tamin’ iny raharaha iny ny ministra, ka dia naleo nandefa ny miaramila manontolo tany amin’ny fitsarana.
-Fankatoavana ny baiko-na sivily, an’ Andriamatoa SG (sekretera jeneraly) Andry A. , tamin’ny fanesorana an’i jeneraly DGDOE. Noho ny tahotra ny toerana sao esorin’ity olona ity tamin’ny toerana koa izy MDN.
– Fametrahana tanora(lieutenant colonel) mpanao eny Tompoko ho Daf na ministera, mba hahafahana manao ny atao ao amin’ny fitantanana.
– Fanilihana ireo olona mahay sao milaza ny marina sy ny tokony ho izy amin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiministra.
– Fitazonana olona misotro ronono amin’ny toerana, rahalahy am-panambadiana,…
– Fitazonana olona misotro ronono hiasa, toy ny DG CIS, HCDN sy DAM ao amin’ny Prezidansa, tahotra sao hisy olona hanakaiky ny Filohan’ny Repoblika, ka ho very tsy ho heno intsony i MDN, dia aleo tsy manendry olona hafa,
– Fanalana tompon’andraikitra teo amin’ny toerany eo amin’ny Tafika, chef de corps, chef de service et commandant de zone Ankarafantsika, noho ny fihainoana olona iray tao amin’ny serasera.
– Tsy mbola nisy tao amin’ny tantaran’ny Tafika, ka ny gendarmerie indray no betsaka nahazo généraux noho ny Tafika tao anatin’ny 60 taona, niseho izany tamin’ny fanendrena farany teo, noho ny fankahalana sy tahotra.
-Tsy fahafalian’i MDN ny amin’ny fanendrena an’i jeneraly SEG, sekreteram-panjakana amin’ny Zandarimaria, ho Général de Corps d’Armée, satria tsy izy irery no ho hany sisa lehibe farany ambony.

– Misy fitsipika milaza, fa tsy azo ataon’ny miaramila sy olom-panjakana no mandeha raha mihoatra ny amin’ny 6 ora hariva, maro ireo miaramila madinika nigadra sy voaroaka tamin’izany, kanefa dia noterena nandeha nanidina ihany ny helico hiala tany Soanieran’Ivongo, ny andro ratsy sy efa mihoatra ny amin’ny 6 ora hariva ny desambra 2021 iny; vavolombelon’izany ny Praiministra sy SEG, kanefa nahoana no mbola nahazo Général de Corps d’Armée ihany i SEG?

Na dia efa niantso an’ny Lehiben’ny Forces aériennes aza ny Pilote, mba handresy lahatra ny tsy hisidinana intsony; ity jeneraly ity kosa tsy hita izay nataony, sao tsy hahazo général de division, ka tsy namaly.

Noho ireo antony ireo, ahiana ny fisarahambazana atahorana hiteraka korontana eo anivon’ny Tafika sy ny Foloalindahy, hoy ihany ity fanambarana ity.