Fira ambany any Mahabo Menabe – Olona miisa 6 no nalain’ny dahalo an-keriny

Rajepa

Faritra Menabe manomboka miverina indray ny fira ambany na ny Kidnaping, na fakana olona an-keriny.

Nitrangana fakana an-keriny tao amin’ny distrikan’i Mahabo kaominina ambanivohitra Ambia fokontanin’i Bemokoty campement Andafia ny alin’ny talata 10 Janoary 2022, tokony ho tamin’ny 11 ora alina, ka olona 5 no lasan’ireo dahalo , vehivavy 40 taona sy lehilahy 50 taona , ary misy Zaza kely 4 ihany koa. 30 tapitrisa Ariary no takian’ireo mpaka an-keriny miaraka amin’ny basin’ny raim-pianakaviana, satria manana basy io raimpianakaviana nentin’ny dahalo io, izay vao alefan’ireo dahalo izy 6 mianaka. Nisy anefa ny fifampiresahana tamin’ny telephone, satria niantso ny fianakaviana ireo olon-dratsy ary nilaza fa vao omen’ny fianakaviana ny mpitandro filaminana ny laharana niantsoan’ireo dahalo dia ho tifirina izy 6 mianaka. Nisy ny adivarotra ka tapaka fa vola 10 Tapitrisa sy ilay basy no takalon’izy 6 mianakana , tsy manan-tsafidy ny fianakaviana, ka voatery niditra trosa.

Hatreto dia efa misy zandary any an-toerana saingy noho ny fitandroana ny ain’izy 6 mianaka dia miandry ny fifanakalozana vita, mba ho azo velon’aina ireo olona nalain’ireo dahalo takalonaina ireo.