Tsy maharesy lahatra ny maro ny tetikasa teleferika

Sôh’son

Miezaka mafy miaro tena sy milaza izay hevitra hanohanany ny maha ilaina ny tetikasany amin’ilay fitaterana an-tariby mihantona: teleferika ny fitondrana, amin’ny alalan’ireo haino aman-jery samihafa, sy amin’ny fotoana rehetra ahafahany manao izany tato ho ato. Tsikaritra anefa matetika, ialan-tsiny, fa somary maivana ihany ny fanohanan-kevitra ataon’ireo olona sasany eo anivon’ny fitondrana. Raha atao mahitsy dia hoe, tsy maharesy lahatra. Tsy ny fampiakaram-peo sy fisehoana ho tezitra akory, no ahafahana mandresy lahatra ny olom-pirenena, fa vao mainka aza izany tsy raisin’ny saim-bahoaka. Vahoaka izay miandry fatratra ny vahaolana maika, amin’ny fijaliana manjo azy isan’andro vaky izao, rehefa hiatrika ny fihariany sy ny fivelomany. Ny mahamaika ny vahoaka dia ny fihatsaran’ny fitaterana ilainy isan’andro, na hiàla ao an-trano na handeha hody izy. Tsikaritra fa tsy mahatsapa ny fijaliam-bahoaka mihitsy ity fitondrana ankehitriny ity. Fihatsarambelatsihy sy kajikajy politika no betsaka ataony eo amin’ny seha-pitantanana ny firenena.

Adihevitra be ny momba ny toerana fametrahana io karazam-pitaterana avy any ivelany io mandraka ankehitriny. Toy izay ihany koa etsy ankilan’izay ny eo amin’ny seha-pampianarana. Raha namoaka daty nanemorana ny fidiran’ny mpianatra ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanabezam-pirenena, dia tsy niombon-kevitra aminy ireo fikambanana eo anivon’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara. Ny sabotsy lasa teo izy ireo dia nilaza ny heviny, fa hiditra ny alatsinainy 10 Janoary izy ireo. N’inona n’inona fifamahofahoan-kevitra tao anatin’izany, satria niteraka savorovoro tao an-tsain’ireo ray aman-dreny sy mpianatra ny fahenoina izany, na nisy ny fanatanterahana izany na tsia, ny tiana apetraka dia misy tsy milamina eo amin’ny seha-pampianarana eto Madagasikara. Tsy milamina satria, mamoaka filazana ny eo anivon’ny minisitera, dia misy ny tsy miombon-kevitra na manohitra izany. Iray amin’izany ity tranga ity. Tsy nilaza na namoaka ny heviny momba io mihitsy ny teo anivon’ny minisitera ny faran’ny herinandro teo. Toe-javatra misavoritaka izany.

Ny teo anivon’ny sekoly katolika no naneho fihetsika voalohany tsy niombon-kevitra tamin’ny minisitera tamin’ny tranga hafa tamin’ny fotoana hafa. Anisan’izany ny fanatanterahana fanadinana mitokana alohan’ny an’ny fanjakana. Nisy ihany koa ny tranga hafa. Tsy nanan-kambara ny momba izany ny teo anivon’ny minisitera na ny fanjakana. Toe-javatra tsy mirindra eo amin’ny seha-pampianarana izany.

Raha ho an’ny mpandinika sy mpamakafaka, mizotra ao anaty fisavoritahana nefa toa milamina ny fitantanam-pirenena tato anatin’ny telo taona. Milamina satria tsy misy ny korontana isian’ny sakoroka eo amin’ny sehatra samihafa. Misavoritaka kosa, noho ireo tranga maro samihafa izay hita tsotra izao fa tsy mampizotra ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka. Mandrimandry manana aretina ny firenena ankehitriny.