Jimmy Randriantsoa – Tsara ny fampidiran-ketra tao amin’ny kaominina Alasora

Isambilo

Raha nanao jery todika ny zava-bita tamin’ny taona lasa ny ben’ny tanànan’ny kaominina Alasora Avaradrano, Jimmy Randriantsoa, nambarany tamin’izany, fa tsara ny fampidiran-ketra tao amin’ny kaominina iadidiany tamin’ny taona 2021 iny, navitrika nanefa ny hetran-trano sy tany, ary ny karazan-ketra misy ny mponina. Mbola manentana izy amin’ity taona ity ny mponina hanefa izay hetra izay, satria ny vola naloa ireny hoy izy dia miverina amin’ny mponina ihany, amin’ny fanaovana foto-drafitrasa sy asa sosialy sy fampandrosoana ao amin’ny kaominina. Na ireo tsy manana permis aza hoy ny ben’ny tanàna, afaka manatona ny kaominina, misy foana ny fifampiresahana azo atao hahafahana manao ny taratasin-ketra amin’izany.

Amin’ny ankapobeny hoy izy, ny zava-bitan’ny kaominina tamin’ny taon-dasa dia saika volan’ny kaominina madiodio avokoa, noho io fahatsaran’ny fampidiran-ketra io. Teo amin’ny fanamboaran-dalana, vola hatramin’ny 100 tapitrisa Ar no nampiasain’ny fiadidiana ny tanàna tamin’izany: teo ny fanalalahana ny lalana miakatra an’Alasora, ny any Miadana sy Ambohitromby, natao rarivato na norakofana tara ny lalana natao tamin’izany. Hitohy amin’ity taona ity izay fanalalahana lalana izay hoy ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa ary tsy hisy ny fandravana trano.

Teo amin’ny lafiny fandriampahalemana: ezaky ny kaominina sy ny polisy ary ny zandary, ny fanapariahana ireo mpitandro ny filaminana manerana ireo fokontany any Alasora. Tao anatin’izany ny fanapariahana jiro mandeha amin’ny masoandro miisa 80 tamin’ny fokontany mihoatra ny 10, teo koa ny fanazavana ny tanàna niaraka tamin’ny orinasa Jirama tany Ambohitanety sy Ambohitromby. Amin’ity taona ity, hitohy ny fanazavana ny elakelatrano rehetra any Alasora, fiaraha-miasa amin’ny AFD Frantsay, ka jiro mandeha amin’ny masoandro miisa 600 no haparitaka amin’izany. Teo amin’ny lafiny fandriampahalemana: nandany vola tamin’ny fampanajana ny fepetra ara-pahasalamana iadiana amin’ny coronavirus ny kaominina Alasora. Namendraka fanafody tamin’ny tsena sy ny biraom-panjakana samihafa. Nisy ny fampitaovana ny reny sy ny zaza ho an’ny CSB II Alasora. Nataon’ny fiangonana Orthodoxe rarivato ny tokontanin’ny toeram-piterahana amin’ity hopitaly ity, satria namotaka sy namovoka teo aloha. Eo amin’izay fahasalamana izay, manentana ny rehetra hanao vaksiny iarovana amin’ny coronavirus ny ben’ny tanàna, io ihany hoy izy no anisan’ny fomba mahomby handresena ity valanaretina ity. Teo amin’ny fampianarana, nisokatra ny EPP Amboaroy, fiaraha-miasa tamin’ny Association Zazakely.

Amin’ity taona ity, hiezaka hanao EPP amin’ireo fokontany ao Alasora ny kaominina, satria mbola maromaro ireo fokontany tsy manana EPP nefa be mponina, toa an’Ankadindratombo, Est Mahazoarivo, Sud Ambohipo. Havaozina ny EPP Alasora satria efa tamin’ny taona 1901 no niorenany, toy izany koa ny any Ankadievo, Mendrikolovana ary Ambatomalaza. Tamin’ny fetin’ny Noely, nanatanteraka ny Noely Mizara Fifaliana ny kaominina, nizara vatomamy sy biscuits ary kilalao tamin’ny mpianatry ny EPP miisa 4000 teo.