Fifamoivoizana – Tapaka ny lalampirenena faha-6 (RN6)

Aly

Tapaka amin’izao fotoana ny lalampirenena faha-6, izay mampitohy an’Ambondromamy faritra Boeny, sy Antsiranana faritra Diana. Ny anton’izany fahatapahana izany, nihotsaka ny lalana eo anelanelan’ Anjiamangirana sy Ambalafaminty amin’ny lalam-pirenena faha-6. Eo anelanelan’i Boriziny sy Antsohihy amin’ny faritra Sofia, no misy io ampahan-dalana tapaka io. Tapaka araka izany ny fifamoivoizana ho an’ireo mikasa hianavaratra. Ny ataon’ireo mpandeha, misy ny famindrana entana sy olona eo amin’ny toerana misy fahatapahana io, satria tsy afaka mandeha ny fiarakodia. Tsy vitan’ny efa ratsy, fa mbola nihotsaka koa arak’izany ity lalampirenena mianavaratra ity, koa hanairan’ny any an-toerana ny tompon’andraikitra, hijery haingana ny famahana olana an’izao fahatapahan’ny fifamoivoizana izao.