FOZA MIANA-MILOMANO ?

Tena hita ho tsy mahomby dia manafina ny marina,
Ary teti-dratsy foana no ezahina hampiharina?
Ny mpanohitra hatrany no hazaina sy haratsiana,
Sady omena isa aotra , miampy ny fanambaniana?

Tena hita ho tsy mahomby dia atao ny fafy lainga,
Na dia hita tsotr’izao fa tsisy tetikasa miainga?
Mora ny mampanantena irony lafatra sy meva
F’aiza izao ireo bolidinina sy teteza-mihevaheva?

Tena hita ho tsy mahomby dia atao ny tampi-maso,
Nefa ny iaraha-miasa dia jiolahy sy ny malaso?
Avoaka an-tsokosoko hatrany ny bolongam-bolamena,
Raha somary nampanginina ny fanondranana andramena?

Tena hita ho tsy mahomby dia atao ny tampim-bava,
Ka ireo mba sahy miteny dia lazaina fa mpandrava?
Izany no aina ka nahoana no dia tia milingilingy?
Hay va re kanosalahy ka dia matahotra ho jingy!

Tena hita ho tsy mahomby dia miteniteny foana,
Sady tia manonontonona sy milaza fe-potoana?
Dimy taona vao hilamina ny amin’ny jiro sy ny rano?
(Fa angaha tsy TGV sa foza miana-milomano?)

RAINILAIKELY (08-01-22)