N’INONA N’INONA MANJO, AOKA TSY HAMOY FO

Raha maneho ny hasomparany irony haizina mavany,
Ka mitady ny hibahana sy handrakotra ny tany.
‘Ndeha velomy indray ry mpino ny afon’ny fanantenana,
Areheto ny fanilo mba hitondra hazavana.

Raha mandringana ny aretina na mivatravatra fiavy,
Ka miaina anaty tahotra sy hovitra ny mpianakavy.
Aoka tsy hamoy fo na hoe hiraviravy tanana.
Fanafody no karohy, fanefitra no ‘ndeha hiomanana.

Raha mihanaka ny ratsy sy ny endri-pahalovana,
Raha miangona ny loto, tena mila fanadiovana.
Mijoroa hanao ny tsara, izany marina itafio,
Fa hiala ho azy irony ratsy, dia hipoitra ny madio.

Raha mikitroka ny alina fa nisitrika ny volana,
Raha miseho ny fahoriana, tsy ahitana vahaolana.
Tokana no ifikiro na mahantra ianao na manana,
Dia Jesoa ilay Mpamonjy sy Mpitondra Fiadanana.

SEDERA RAVALISON (07-01-22)