JAMES RATSIMA VE ?

Izy ilay tsy miolakolaka fa mahitsy raha miteny,
Ilay mpitolona modely, reharehan’ny fireneny,
Ilay nitaky ny hamerenana iretsy nosy manodidina,
Tsy nanaiky hiombon-kevitra amin’iretsy lohan’angidina!

Tsy voavidividim-bola toy iretsy “gasy tapany”,
Tsy nanaiky teriterin’ny filoha sy ireo tandapany,
Fa nolaviny tanteraka ny hiverenana indray
Ho toy ny mbola zanatanin-dry zareo frantsay!

Deraina ireo rehetra vitany sy ny zava-nijoroany,
Ary ny hazo namboleny, enga anie hitera-boany,
Ka hioty am-pifaliana sy hiaiky ireo taranaka,
Fa i James Ratsima: mpitolona tsy nety lanaka!

…O ry hazo makadiry, ry voaraben ny taniko,
Tena sangam-pirenena ka deraiko sy andrianiko!
Na hiongotra aza ianao ka dia halazo sady maina,
Ny aminao tsy maty akory fa ho velona ao an-tsaina!

DADAN’i RIANA (10-01-22)