Vondrona Panorama – Nanolotra soso-kevitra amin’ny FFKM ho fandaminana ny fifidianana

Franck Razakambelo

Naharitra adiny ora iray sy sasany ny fihaonana teo amin’ny vondrona Panorama sy ny Sefip, izay natao tetsy Andohalo omaly. Fifampidinihana izay nandraisana ny hetahetan’ny vondrona Panorama ho fanatsarana ny fiainam-pirenena sy ny zotram-pifidianana, anisan’izany ireo fehin-kevitra izay nivoaka nandritra ny fivoriana nataon’ireto farany tetsy amin’ny Hotel Carlton ny 13 Novambra 2021 lasa teo.

Nanazava Ramatoa Anja Naivo Hanitriniaina mpitondra tenin’ny Vondrona Panorama, fa miisa 6 ireo soso-kevitry ny Vondrona Panorana ary anisan’ny nisongadina amin’izany ny fametrahana ny « Code electoral unique », mba hahafahana mitandro ny fitoniana sy misoroka ny fisian’ny hala-bato mandritra ny fanatanterahana ny fifidianana. Ankoatra izany dia fangatahana nataon’ny Vondrona Panorama amin’ny Ffkm ihany koa ny fametrahana sy ny fanatsarana ny sata mifehy ny tontolon’ny fambolena eto Madagasikara, satria mbola mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana avokoa ny ankabeazan’ny vahoaka Malagasy.

Hanatanteraka tatitra eo anivon’ny birao foibe Ffkm ny Sefip aorianan’izao fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ny Vondrona Panorama izao ary mbola hiantso an’ireto farany ny Sefip mikasika ny fivoaran’ny fifampidinihana izay efa natao. Marihina fa efa maromaro ireo fihaonana izay nataon’ny Vondrona Panorama, ho fampahafantarana ny hetahetan’izy ireo, anisan’izany ny fihaonana tamin’ny CFM, ny fihaonana tamin’ireo solontenan’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, ny fihaonana tamin’ny Masoivohon’i Frantsa. Tsiahivina fa mandray anjara amin’ny fitantanana ny fiainam-pirenena ireo rafi-panjakana sy ireo solontenan’ny firenen-dehibe, izay nitondran’ny Vondrona Panorama ny hetahetany ireo, mba hisian’ ny fenitra demokratika eto Madagasikara eo amin’ny tontolon’ny fifidianana.