Filoha Marc Ravalomanana – Fikaonandoham-pirenena, tokony hatao amin’ity taona ity

Helisoa

Nisy ny fivoriana voalohany nataon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara: RMDM taorian’ny fankalazàna ny krismasy sy taona vaovao, izay nisian’ny fiatoana ara-politika, fivoriana natao tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tao Bel’Air ny alakamisy lasa teo. Tonga tao avokoa ireo mpitarika politika teo anivon’ny RMDM, izay somary natao vitsivitsy ihany ny solontena noho ny firongatry ny aretina CORONAVIRUS eto amin’ny firenena ankehitriny. Nitarika ny fotoana tamin’izany ny filohan’ny RMDM, ny filoha Marc Ravalomanana. Nambarany tamin’izany fa tsy hilavo lefona manoloana ny sakantsakana sy ny filam-baniny ary ny fampitahorana izay misy ataon’ny tompom-pahefana ankehitriny ny RMDM. Mila hirosoana haingana hoy izy ny fikaonandoam-pirenenana amin’ity taona ity, mba hijerena ireo rafitra izay mila fanitsiana eto Madagasikara toy ny HCC sy ny CENI, mba tsy hitongilana na hitanila. Efa latsaka an-kady ny Malagasy ary 82% no sahirana ankehitriny, ka hatao izay hamonjena ny vahoaka.

Mikasika ny resaka fotodrafitr’asa ataon’ny fanjakàna dia tokony ho jerena ny laharam-pahamehana. Tao anatin’izany no nanamafisan’ny filoha Marc Ravalomanana mikasika ny resaka teleferika, fa tsy mety io tetikasa hapetraka eto Antananarivo io. Tsy fitaterana olona andavanandro io teleferika io hoy izy, fa fanaovana fizahantany hijerena tanàna. Tsy hisy ho azo atao ihany koa raha sanatria mihitsoka eny ambony eny ny teleferika, fa tsy mahavita manolo ain’olona ny mpitondra na iza na iza.

Mahakasika ny famonoana ny Dr Jean Louis, vadin’ny mpitarika ny antoko TIM any Toliara Me Elisoa, aleo hiseho ny marina hoy izy, tanteraho hatramin’ny farany ny fanadihadiana sy ny famotorana ireo izay mety ho tompon’andraikitra, tsy tokony hasiana ny tombo sy hala eo amin’ny sehatry ny mpitandro filaminana sy fitsarana.