Filoha eran-tanin’ny IPS – Tsy lasa any Quito Pr Jonah noho ny antsojay nisy teny Ivato

Nangonin’Isambilo

Tsy lasa any Quito renivohitr’i Equateur i Pr Jonah Ratsimbazafy filoha eran-tanin’ny IPS (International Primatological Society) amin’izao fotoana, noho ny antsojay nihàtra taminy teny Ivato. Tokony hanao ny fifamindram-pahefana amin’ny filohan’ny IPS teo aloha any anefa izy amin’ity volana janoary ity. Mitantara Pr Jonah Ratsimbazafy:

“Resaka tsy anaovana pôlemika ity fa tsy maintsy ho ambarako ihany satria mety tsy ho izaho ihany no hihàrany…
Ho atao any Quito Équateur any Amerika atsimo ny fihaonambe iraisampirenen’ny International Primatological Society (IPS), izay fikambanana iraisampirena ivondronan’ny primatologues maneran-tany.
Efa fantatsika fa ny tenako no voafidy ho Filoha vaovao, izay Afrikana voalohany hitondra izany mandritra ny 4 taona. Noho izany dia tsy maintsy tokony hanatrika io kongresy hatao any io aho ny 9 ka hatramin’ny 15 janoary.
Ny sabotsy 8 janoary, izany hoe anio dia tokony hanatrika ny fivorian’ny Council IPS aho ary handresy lahatra ny hampiantranoan’i Madagasikara ny fihaonambe manaraka dia ny taona 2023, raha tsy handray izany i Malaisie na ny 2025, ka i Afrika Atsimo no hiady ny fampiantranoana izany.
Ny fangatahana izany ho an’i Madagasikara dia efa nahazoana taratasy tamin’ny Ministry ny tontolo iainana, mba hilazana fa vonona i Madagasikara ny handray izany. Ny anjarako dia ny handresy lahatra ny olona hifidy ho an’i Madagasikara ary efa niomana sy vonona tamin’izany aho.
Tonga teny IVATO airport efa vonona ny hiondrana aho ny alin’ny 5 janoary. Ara-dalàna ny taratasy rehetra. Nolavin’ny Air France anefa ny fandehanako satria hono mila visa de transit aho na tsy hivoaka na miova airport aza ao Paris sy Amsterdam. Nazavaiko taminy fa izay foana hatramin’izay no natao raha ho any USA aho, sns… Novalian’ilay vehivavy Malagasy foana moa aho hoe raha mandalo firenena Scheingen roa ianao na tsy mivoaka ny airport aza dia mila visa de transit foana. Izaho anie tsy miova airport tompoko o. Lalàna hono izany ary tokony ho fantatro. Dia nifandrirarira teo ary farany dia nanontany aho izy hoe manana nationalité hafa ankoatry ny Malagasy ary ve Ianao e? Non tsia hoy aho fa nationalité Malagasy ihany no ananako. Tsy mety izany hoy izy. Izany hoe raha nanana nationalité hafa aho dia tsy olana.
Ny vidin’ny billet efa 25 millions ariary mahery. Naharay message tamin’ny Air France aho nialohan’ny nandehanako hoe mila résultat test COVID 72h. Nefa test moins de 48h no nanontanian’io vehivavy io tamiko.
Izaho efa somary mahana ihany ary tena nitady visa de transit teto, fa tsy nety afaka nanohy mihitsy tamin’ny demande en ligne TLS ary farany dia nankany Ankorondrano teny amin’ny TLS mihitsy nanontany, ka izao no nolazain’ilay rangahy tompon’andraikitra tao “ny Malagasy tsy mahazo visa de transit, ka raha vao atao hoe Malagasy ilay Nationalité dia tsy tafiditra mihitsy intsony, fa bloqué ilay izy. Ka handainga ve aho izany hoe atao nationalité hafa? Tokony ho Ok ianao? Sady izaho rahateo tsy mivoaka airport ary Quito no destination finale”.
Malagasy avokoa no nifampiresaka tamiko tao Ivato, fa tsy nisy te hahalala daholo, fa izany hono no lalàna tokony ho fantatro ary tokony ho tany amin’ny Ambassade de France aho no nanontany na ny agence tokony ho niteny”. Ahoana moa no ahafantarako izany? Oviana ny fiovana? Tsy hitsangatsangana no handehanako any? Fa tsy mora tompoko izany anaty orana mijojo tamin’ny alarobia alina iny no nody. Zara raha natory tato fa mbola nanafoana ny réservation tamin’ny Hotel tany Quito, sns… Efa nampahafantariko an-dRamatoa Minisitra ny tontolo iainana ihany moa izany, fa tsoriko fa tena nalahelo aho ary mbola mavesatra ny foko. Fahasahiranana anie ny nikarakara ny taratasy mivoaka e. $ 7,000 ny billet izay vao hangatahana remboursement. Fivoriana iraisampirena no handehanako any ary hanao famindram-pitantanana amin’ny Filoha amin’izao. Miandry ny hihaona amin’ny tena ny olona.
Efa nampahafantariko ireo mpiara-miasa rehetra any Quito moa ny tsy fahafahako ho tonga any ary tena nalahelo ry zareo, ka ho atao virtuel ny intervention- ko. Ny olana dia ity Jirama ity fa raha efa tsy ho tonga any ny tena nefa koa tapaka ny jiro aty dia fomba ohatr’izany ve no hanombohan’ny Filoha Afrikana vaovao ny andraikiny, kanefa ny tena mba te hanao fanamby amin’ny maha Filoha vaovao ny tena mandritra ilay 4 taona hitondrana ny IPS.
Na izany aza, eto dia manantitra ny fisaorana anareo namana maro nampahery sy ny kilonga ato an-trano niteny tamiko hoe matoa izay no nitranga dia izay no sitrak’Andriamanitra, fa mety hisy antony izay tsy fantatrao izao, fa ho fantatrao any aoriana ihany ao, ka misaora ny Tompo amin’ny zavatra rehetra”.