Raharaham-pirenena – Tsy matotra Rajoelina dia tsy matotra koa ny governemanta

Andry Tsiavalona

Niseho ho hentitra ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny filankevitry ny minisitra voalohany ny alarobia 05 janoary 2022 lasa teo. Ankoatry ny fampitandremana ny minisitra momba ny fitondrantena sy ny fitavozavozana eo amin’ny fanatanterahana ny andraikitra tandrify azy tsirairay avy dia nambarany, fa tsy tia fandrosoana, ka tsy manan-katao afa tsy ny manankiana sy manenjika ny mpitondra amin’ireo tetikasany ny mpanohitra.

Tsara ny manamarika fa tsy miafina amin-dRajoelina Andry izany ny fitondrantena nanalabaraka ny firenena mihitsy nasehon’ny manampahefana vitsivitsy, na olomboafidy na olom-boatendry. Tsy takona hafenina ihany koa ny fitavozavozan’ny minisitra sasany manoloana ny fanatanterahana ny asany. Tena modely tokoa ireny olom-boafidy sy olom-boatendry ireny, ka tsy mahagaga raha samy manao izay saim-patany na ireto voalaza eto ambony ireto sy ny olom-pirenena. Raha tena matotra sy manaja ny teny nataony Rajoelina Andry dia ho sahy hanala izay hitany rehetra, fa nanala baraka sy tsy nahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny andraikitra nomena azy. Raha tsy izany dia mbola mitohy ihany ny tsy fanarahan-dalàna sy ny kitranoantrano mahazatra izao fitondrana izao.

Momba ireo nofaritany fa tsy tia fandrosoana indray dia tsy mitovy ny lazaina ho fampandrosoana lovain-taranaka sy ny fananganana fotodrafitrasa mamela trosa ho baben’ny zanaka aman-jafy, kanefa tsy hampivoatra ny fiainany akory. Tsy amelan’ny filohan’ny Repoblika mihitsy fa tsy maintsy hatao ny tetikasa teleferika ary efa manao ny fandalinana ny toetry ny tany (étude du sol) hametrahana ny andrim-by ny Colas amin’izao fotoana izao. Misy mpiasa miaraka amin’ny fitaovana hanatanterahana izany eo akaikin’ny Tsangambato Ambohijatovo amin’izao fotoana izao.

Raha fampandrosoana no resahina dia samy fitaovam-pitaterana misavoamboana eny amin’ny habakabaka eny ny fiaramanidin’ny Air Madagascar sy ny « cabines » kelin’ny teleferika. Hitondra fampandrosoana be ho an’ny sehatry ny fizahantany ny fiaramanidin’ity kaompaniam-pirenena ity. Tsy eo amin’izay lafiny izay ihany fa ny mpizahatany avy any ivelany dia mitondra vola vahiny be dia be, ka hampiakatra ny sandam-bola ariary. Ambonin’ izany dia tsy ho voaroaka na hampiatoana amin’ny asany ny mpiasa ka hanatevin-daharana ireo efa niharan’izany tato anatin’ny telo taona.

Tsy hisy vola vahiny hampidirin’ny teleferika ao amin’ny kitapombolam-pirenena mihitsy na ariary aza, satria tsy hitaingina ireny no handehanan’ny mpizahatany eto fa hitsidika toerana misy zavaboary na biby tsy misy any aminy. Tsy mitombona ny hevitra handresen-dahatra fa hampihena ny fitohanan’ny fiara ny teleferika ary tsy hanatsara ny tontolo iainana velively. Araka izany, raha tena matotra sy tena mikatsaka fampandrosoana marina ny mpitondra dia tsara lavitra ny nindram-bola hoentina manarina ny Air Madagascar.

Tena tetikasa tsara ny hitarihana fantson-drano (pipe line) any Atsimon’ny Nosy satria “aina ny rano”, ka tena hitondra fampandrosoana ny any tokoa izany. Ny olana dia tsy vao izao no nanambara izany Rajoelina Andry fa ny fanatanterahana no tsy mety manomboka ary ity toe-javatra ity no miteraka ny fanakianana fa tsy ny tetikasa. Maro ny làlam-pirenena nambaran’ny fitondrana fa hamboarina, tetikasa mila tosika izany saingy ny olana dia ny efa natomboka tsy mety vita kanefa ny hafa indray lazaina fa hamboarina ka miteraka tsy fatokisana izany. Ambonin’izany dia misy ireo orinasa nanamboatra làlana kanefa dia tsy haloan’ny mpitondra ny volany hatramin’izao. Ny kianja manara-penitra nahitàna vola be nanamboarana azy kanefa ny vola kelin’ny Malagasy hodiana tsy fantatra kanefa ny làlana no mitondra fampandrosoana, fa tsy ny kianja manara-penitra.

Miparitaka indray ny valanaretina covid-19 ary efa napetraky ny mpitondra moa ny “fahamailoana ara-pahasalamana”, sy ny fepetra mifanaraka amin’izany. Ny zava-doza dia tsy mijery izay hampivoarana ny toekarena satria tsy misy fanampiana ny orinasa tsy miankina, kanefa ireo no tena mamelona ny vahoaka Malagasy sy mampandroso ny firenena. Tsy vitan’izany fa nampiakarina ihany koa ny hetra aloan’ny mpiasa kanefa famonoana an-kolaka ny mpiasa izany. Nampandoavina fadin-tseranana ihany koa ireo orinasa afaka haba amin’izao fotoana izao, kanefa ireto orinasa ireto no anisan’ny mitondra fampandrosoana, satria mampiasa olona maro ary mampidi-bola vahiny eto amin’ny firenena ihany koa. Araka izany dia mety hampihena ny mpiasa ao aminy ireto orinasa ireto, ka hampitombo ny tsy an’asa indray. Rehefa jerena ireo toe-javatra voatanisa ireo dia “be famaritra toy ny rambon’osy ny mpitondra, ka ny lanitra tsy hianjera no tohanana, fa…”