EDITO 8 Janoary – Fandrosoana : tsy mitovy fijery indray ny vahoaka sy ny fitondrana

Sôh’son

Miharihary indray ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny vahoaka sy ny fitondrana. Nilaza ny heviny ny filohan’ny Repoblika Rajoelina momba ny amin’ny hoe « liam-pandrosoana » ny tenany, raha niresaka ny amin’ny teleferika. Izay manakiana na manohitra izany tetikasa izany no ambarany fa tsy liam-pandrosoana. Heviny manokana izay ary azy irery, sy ireo mpiara-dia sy mpisolelaka aminy.

Hoan’ny sarambabem-bahoaka, ny fandrosoana dia ny fivoaran’ny fiaimpiainany andavanandro: ny vola misy sy mitombo ao amin’ny kitapom-bolany, ny sakafo hohaniny isan’andro, ny fihariany sy ny fivelomany, ny karama raisiny ao anatin’ny iray volana, ny fahasalamany, ny fianaran-janany, ny filaminan-tsainy sy ny fandriampahalemana, ny trano fonenany, ny fiara fitateram-bahoaka mitatitra azy maraina sy hariva hody. Ireo raha tanisaina amin’ny ankapobeny no mahamaika ny vahoaka sy ilàny fandrosoana. Ho an’ny vahoaka, raha tsy mahita vahaolana amin’ireo dia tsy mahita fandrosoana izany.

Ny fitateram-bahoaka tsy misy fivoarany isan’andro, fa mampijaly azy. Tsy vahaolana ho an’ny sarambabem-bahoaka velively io fitaterana “importé” io, satria tsy hahakasika ny fijaliana amin’ny fandehanana maraina hamonjy fianarana sy aman-draharaha samihafa, sy ny fodiany amin’ny hariva. Ny ambaran’i Andry Rajoelina, dia hoe : vahaolana amin’ny ialàna amin’ny fitohanana io. Efa niainan’ny vahoaka ela izany ary tsy itarainany loatra, fa ny tena mampijaly azy dia ny ataon’ny mpitatitra eto Antananarivo sy ny manodidina izay manao ny danin’ny kibony amin’izay tiany atao. Tsy nahita vahaolana, mba tsy ilazana hoe tsy nitady, ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, manomboka any amin’ny kaoperativa, ny ATT, ary ny minisitera misahana ny fitaterana. Efa marobe sy aman-taonany izay no nitarainan’ny vahoaka momba izany, fa tsy mbola nandalo teo anivon’ny filankevitry ny minisitra na nambaran’ny filohan’ny Repoblika ny momba izany. Ny antony, satria tsy mahita na tsy manana vahaolana. Ny “bus class”-n’i Naina Andriantsitohaina, tsy mahavaha izany olam-bahoaka izany, ary tsy hahavaha velively. Tsy hisy “bus class” hitatitra gony na sobiky feno anana sy voankazo hamidy vao maraina, na hody hariva amin’ny 7 ora sy sasany na amin’ny 8 ora any Itaosy, Tanjombato na Andoharanofotsy, Ambohitrimanjaka, Ivato, Mahazo na Ambohimangakely, Anosizato na Ampitatafika, Alasora, sns… Ankoatra izany, ny bus-class 1500 Ar aza ny saram-pitaterany, tsy misy mpitaingina, mainka fa izany saran-dalana 4000 Ar amin’ny teleferika izany dia tena lavitry ny afo ny kitay ho an’ny be sy ny maro.

Mazava loatra, fa ilay fandrosoana ambaran’i Andry Rajoelina eto dia mifanalavitra tanteraka amin’ny zava-dehibe iainan’ny vahoaka Malagasy, mirotoroto ao anaty fahasahiranana isan’andro. Tsy misy olom-pirenena na vahoaka tsy liam-pandrosoana izany eto, fa ho azy ny mahavaha ny olana mampahory azy isan’andro ary ao anaty fotoana fohy, no olona liam-pandrosoana sy ilainy amin’izao fotoana izao.