MIVERENA ANY AN-TSEKOLY

Miverena any an-tsekoly dia mianara aloha manisa,
Izany izao no maika indrindra sady ataovy lohalaharana.
Dia meteza hanetry tena hiara-hianatra amin’ny gisa,
Fa mba hafa, tena hafa izany hoe nandia fianarana!

Miverena ihany koa mba mianatra “ny fitantanana”,
Mba hahaizanao mitsinjo izany ampitso sy ny hoavy,
Fa ilay “tongatonga ho azy” sy tsy nisy fiomanana,
Efa voaporofo izao fa loza ho an’ny mpianakavy!

Tsy izany ihany anefa fa havaozy koa ny toetra.
(Vaovao anie ny taona ka mba mila miova ihany!)
Mba tsy zaza miala sakana no ho hitan’ny rehetra,
Na koa ‘lay mpampanonofy sy mpampiesona hatrany!

Raha ny telo miampy enina no lazaina fa hoe valo,
Dia ho loza, tena loza no hanjo ny firenena.
Tena hiaiky ny rehetra, na vahiny na mpandalo
Hoe ‘ngaha dia tena tsy mahay no sady tsy ampy fahendrena?

Koa mianara aloha manisa f’aza tia mitetateta
Ny hitsaratsara foana ireo lazaina ho mpanohitra,
Sao ianao no tena aotra, miaraka amin’iretsy vetan’
Iavoloha sy Ambohitsorohitra!

TSIMIMALO (06-01-22)