Filohan’ny FJKM – Mampieritreritra ny mpitondra noho ireo tsy mety ataony

Nangonin’Isambilo

Amin’izao Asaramanitry ny taona vaovao 2022 izao, nisy ny hafatra avy amin’ny filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, ho an’ny vahoaka Malagasy, ary miantefa amin’ny mpitondra amin’izao fotoana indrindra:

” Ny tanana zatra mangorona… entanin’ny fitiavan-tena tsy mety voky… Mizara anaty filan-dera itsinjovana fifidianana sahady… Mizara fampibabena trosa ara-tsaina ireo notolorana hitakiana tambiny… Tokony mba hiova

Ilay fahefana entina manindry ny hafa… hanitsakitsahana izay tsy mitovy loko amin’ny tena… Ireo mpanam-bola anaovan’ny sasany kopaka isasahana… Ka tsy maninona na ivarotana Tanindrazana aza… Tokony mba hiova

Ilay firaisana tsikombakomba maizina… Anaovana fati-dra amin’ny satana… Noho ny fitiavam-pahefana sy vola ary voninahitra… Ka anaovana sorona, na sarobidy indrindra aza… Tokony mba hiova

Ilay fananararaotana ny fahantram-bahoaka… sy ny valanaretina hanangonan-karena… Ilay fiafenana ao ambadiky ny fahasahiranana… Hanaovana ireo halatra sy izao habibiana rehetra izao… Mba hiova »,

hoy ity hafatry ny filohan’ny FJKM ity. Fampieritreretana ny tsy mety ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana mihitsy no nataony ary miantso antso ireo ho tonga saina amin’ny hagaigeny.