Barazin’i Mandroseza-Ankadindratombo – Namono olona nilomano noho ny fiakaran’ny rano

Stefa

Namono olona nilo-mano noho ny fia-karan’ny rano ny barazy etsy Mandroseza-Ankadindratombo omaly. Lehilahy nilomano nalentiky ny rano ary mbola tsy hita popoka.

maly, tamin’ny 01 ora sy sasany tolakandro teo, lehilahy iray nilomano teo amin’ny barazy Mandroseza Ankadindratombo no nalentiky ny rano io ary tsy nipoitra intsony.

Marihana fa amin’izao vanim-potoana ilatsahan’ny orana izao dia miakatra ny rano eny amin’ity faritra ity ary mahery dia mahery ny onjany. Mbola misy ihany anefa ireo manasa lamba eny amin’ny manodidina ary ireo milomano sy manjono. Ilaina hatrany anefa ny fitandremana amin’ny fiakaran’ny rano mba tsy hihàran’ny loza.