Tetikasa teleferika – Mety ho singam-bolo handavo ny vositra

Andry Tsiavalona

Tsy te-hahalala izay mahasoa ny mpiray firenena aminy mihitsy ny filohan’ny Repoblika Rajoelina sy ny mpiaradia aminy, ka mampandry adrisa amin’ny alàlan’ny makety sy ny fandokafana tsy misy fototra itombenany ireo lazainy fa tetikasa hampandroso ny Firenena. Nilaza Rajoelina Andry fa efa vita ny fanadihadiana eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana, ka tena hampihena be ny gazy karbonika havoakan’ny fiarakodia ny fampiasana ny «teleferika ». Namafisin’ny gazety mpiseho isan’andro sady mpanohana tsy misy fepetra ny fitondrana izany, ka nanoratany fa hampisosa ny fifamoivoizana (circulation fluide) sy hampadio ny tontolo iainana ary ny tena nasongadiny fa hampiakatra ny toekarena izany.

Tsara ho marihana fa na hiampy ireo « fly over » sy « bretelles » etsy sy eroa aza ny teleferika dia tsy ho vahaolana amin’ny fitohanan’ny fiara. Ambonin’izany dia tsy mahazaka mpandeha mitovy amin’ny taksibe, tsy afaka hitatitra entana ihany koa, tsy azo hanaovana taingimbe ary tsy misy mponina eto an-drenivohitra manana fahefana ara-bola hanefàna ny saran-dàlana telo arivo na efatra arivo ariary izany na hampiakarina zato isan-jato aza ny karaman’ny mpiasa rehetra, na any amin’ny orinasa tsy miankina, na ny an’ny mpiasam-bahoaka. Ho tontolo iainana madio amin’izay, hono, no hisy eto an-drenivohitra kanefa, tsy ny setroka maloto havoakan’ny fiarakodia ihany no mandoto ny rivotra fa ny fako misavovona eny amoron-dàlana sy ny rano maimbo miangona etsy sy eroa na avoakan’ny lakandrano (dalles) tsentsina, izay mampitaraina indrindra indrindra ny mponina eny amin’ny faritra iva, izay tsy voaalan’ny kaominina Antananarivo sy ny ben’ny tanàna Vazahabe. Ny teleferika koa tsy afaka handroaka fako sady tsy misy zotra mankany Andralanitra voavinavina rahateo.

Araka ny vaovao nivoaka tamin’ny haino aman-jery dia tsy eken’ny mpianatra maintimolaly ao amin’ny Kolejy Masindahy Misely ny hametrahana ny andrim-by eo an-tokontanin’ny sekoly. Nentin’ireto mpianatra fahiny ireto nanaporofo izany ny nametrahan’ny orinasa Colas ireo fitaovana sy nanaovany marika tamin’ny tany ny toerana kasaina hametrahana ny andrim-by. Tsy eken’ny mpino katolika ihany koa ny hametrahana andrim-by iray eny akaikin’ny Katedraly Andohalo. Nilaza anefa ny tale jeneralin’ny fanatsarana ny tanànan’Antananarivo, fa efa neken’ny tomponandraikitra katolika ny toerana. Vakoka sady manana ny hasiny na ny Kolejy Masindahy Misely na ny Katedraly Andohalo, ka tsy eken’ny mpino katolika. Misy milaza mihitsy fa fampiadiana ny samy katolika izao ataon’ny mpitondra izao.

Tsy maintsy porofoina amin’ny alàlan’ny tarehimarika ny filazan’ny mpitondra, fa hampiakatra ny toekarena ny fampiasana ny teleferika. Nofinofy tsy hivadika zavatra mivaingana ny filazana fa hisy mpandeha efatra alina hitaingina teleferika isan’andro. Ny « bus class » mahazaka mpandeha enina ambinifolo, saran-dàlana dimanjato sy arivo ariary aza, tsy mahafeno fiara ka tsy azo inoana ny tarehimarika avoakan’ny mpitondra. Araka izany dia rendrarendra toy ny kianjan’i Mahamasina izay tsy hampiverina ny vola hindramina hoentina hanorenana azy mandritra ny taona maro ity fotodrafitrasa ity, ka eo amin’ny lafiny inona no hitondrany fampiakarana ny toekarena? Amin’ny maha fitaovam-pitaterana azy? Amin’ny alàlan’ny hetra halaina amin’ny orinasa mampihodina azy?

ain’izao fitondrana « be atidoha » izao mihitsy ny mitady ny fomba rehetra hoentina hanangolena ny mpiray tanindrazana aminy kanefa, izay ela nitoratorahana, hono, hahavoa mason’angatra amin’ny farany. Mety ity tetikasa teleferika ity no singam-bolo handavo ny vositra raha mbola hiziriziry amin’izany Rajoelina sy ny forongony: hiady amin’ny katolika, hiady amin’ny maintimolalin’ny sekoly Masina Misely, hiady amin’ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo satria ny Malagasy rehetra no hanefa ny trosa amin’ity teleferika ity, nefa haitraitra ho an’ny olona sasany eto an-drenivohitra fotsiny no hanaovana azy. Harahantsika eto ihany ny ho tohiny.