EDITO 6 Janoary – Kabarin-dRajoelina – Misongadina ireo tetikasa tsy lanieram-bahoaka

Sôh’son

Ny an-tratra tsy lavo, ka « alao koa rain’ialahy be ». Io ohabolana na fitenenana io no tonga ao an-tsaina raha nandre ny kabary nataon’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina tamin’ny faran’ny taona, sy ny mbola naverimberin’ireo haino aman-jery tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Be ny asa tsy mbola vitan’ny fitondrana na tamin’ny taon-dasa nivalona iny na tato anatin’ny telo izao. Be ny fampanantenana nomena ny vahoaka no tsy tanteraka. Be ny tsy vita kanefa aroso ihany koa ny zavatra hafa. Izay no nilazana fa lasa aloha ny vava ho an’ity fitondrana ity noho ny asa mivaingana andrasan’ny vahoaka aminy.
Rehefa mikasa hanao asa indray, dia na io efa nisy “vava asa” nataon’ny mpitondra teo aloha, dia fitohizan-draharaham-panjakana no sisa ataony; na io vaovao, saingy ity farany matetika hatrany misy olana. Anisan’izany ny tetikasa Tanamasoandro saika napetraka teny amin’ny lemak’i Betsimitatatra. Dia ireny niaraha-nahita ireny ny fanoherana mivaivay nataon’ny mponina tamin’ireo kaomina manodidina rehetra voakasika. Mbola mitohy indray aza izany seho na hetsika izany na dia nahita irika teny Imerintsiatosika aza avy eo nanaovana azy.

Miseho ihany koa ankehitriny, raha handingana tsy hiresaka ny tranga hafa, ny fametrahana ny andry lehibe hampifandray ny zotra handehanan’ireo fiara fitaterana mihantona na teleferika. Niseho ny fanoherana ny fametrahana azy ireo na teny amin’ny eglizy katolika Andohalo, na ny teny amin’ny kolejy Masindahy Misely. Hentitra ireo maintimolalin’ity sekoly katolika ity amin’ny fanoherana fametrahana izany. Na ho inona ho tohin’ny raharaha na ho inona, ny azo ambara, dia misy tsy voadinika lalina ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe ireo. Tsy ampy ny fanadihadiana fa mby amin’ilay fitenenana, ialan-tsiny, hoe “Maika tsy faingana” fotsiny, rehefa hanao zavatra izao fitondrana izao, hany ka “Midona amin’ny poteau” hatrany, hoy ny fomba fiteny. Tsy misy ny fifampierana amin’ny vahoaka fa efa zatra ny manao amboletra fotsiny izao, hatrany amin’ny andron’ny tetezamita. Mihevitra ny tenany ho babany mantsy no tsapa ary manao tsinontsinona sy manamaivana ny hafa. Maneho koa izany, amin’ny lafiny iray, ny hantsana manasaraka ny vahoaka sy ny mpitondra.

Ho an’ny mpandinika, tojo olana hatrany ity fitondrana ity tato anatin’ny telo izao. Tsy atao hahagaga anefa izany, satria ilay fototra iorenany hatrany am-pikotrehana mihitsy no tsy marina. Ny zava-manan-kasina eto amin’ity firenena ity ihany koa tsinontsinoavina. Ny Lalampanorenana izay fototra amin’ny fitantanam-pirenena dikaina sy hosihosena, sns… Raha tsy misy ny fanovana ny fomba fisainana, sy ny fomba fiasa amin’ny fitondrana vahoaka sy firenena dia ho volan-kankafotra hatrany no hisy eto.