Fiarahamonina – Misy tonga any Nosy-Be ireo mpifindra monina avy any Atsimo

Stefa

Misy tonga any Nosy-Be faritra Diana amin’izao fotoana ireo mpifindra monina avy any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara. Ireo fianakavian’izy ireo efa nipetraka an-taonany maro, tany amin’ny Nosy Manitra, no voalaza fa nanafatra azy ireo. Andro maromaro izay, olona 20 teo avy any Atsimo no tonga any Nosy-Be, araka ny voalaza dia mbola hisy ampahany hafa ho avy. Manoloana izany, nisy ny fanadihadiana nataon’ny ben’ny tanànan’i Nosy-Be, Vita Gilbert sy ny mpiara-miasa aminy, mahakasika izao fifindra-monina misy any amin’ny renivohitry ny Ylang-Ylang izao. Tsy sanatria fanavakavahana hoy ny ben’ny tanàna no nanaovana izao fanadihadiana izao, fa misy amin’ireo mpifindra monina tonga any no manimba tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fanaovana arina na saribao. Tokony hanara-dalàna izy ireny hoy ihany ny ben’ny tanàna Vita Gilbert.