Angôvo – Mampiahiahy ny fahamaizana tany Andekaleka

Tsapa amin’izao fotoana, fa mampiahiahy ny fahamaizan’ny fitaovana mpiteraka angôvon’aratra, tany Andekaleka distrikan’i Brickaville faritra Atsinanana an’ny orinasa Jirama.

Ny fahanteran’ny fitaovana no nanilihan’ ny mpitantana ny Jirama fa nahatonga ny fahamaizana, fa raha ny zava-misy tao aorian’ilay fahamaizana dia mampametra-panontaniana, satria araka ny vaovao azo, nanainga nandeha mankany Andekaleka ny ampahany voalohany amin’ireo fitaovana vaovao 17 kaontenera, hoentina manarina sy manatsara ny famokarana rianaratra any an-toerana. Toa midika fa nisy ninia nandoro ny fitaovana tany Andekaleka dia rehefa avy eo, milaza ny Jirama sy ny fitondrana, fa mahavita satria efa ho tonga ny fitaovana hanoloana izany ho vaovao. Araka ny vaovao azo ihany, hanainga alohan’ny zoma ho avy izao ny ambiny.

Na izany na tsy izany, efa nanokatra fanafidihadihana lalina ny JIRAMA, mba hahafantarana ny tena zava-nisy marina nitranga ny alahady lasa teo tany Andekaleka. Ny mpanara-baovao dia misy ny nanambara fa naminany ve ny fitondrana sy ny Jiarama, no 2 andro tao aorian’ny fahamaizina dia tonga ny ho solon’ny fitaovana, fa angaha nandeha inona izany no tonga sahady? Ilay sambo hitondra PPN 20 sambo aza hatra-min’izao mbola tsy hita hoe aiza. Na izany na tsy izany aloha ato anatin’ny roa herinandro, hitohy ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina.