Rmdm Melaky – Tsy misy raha manjary eto noho ny ataon-dRajoelina

Nangonin’i Niaina

Amin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao, maneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, na ny RMDM any amin’ny faritr’i Melaky. Manambara izy ireo momba ny fitondrana Rajoelina: “fa ino moa zany ny tena antompisianareo teo amin’ny fitantanana ny firenena. Ny kely mba soa lasa lo sy simba, nareo avy eo no be vava fa hohatsaraina. Ny efa ratiraty moa volaninareo, fa tsy nanao na ino na ino ny teo aloha, vao maika potika tanteraky. Nivola anao Rajoely tamin-dRajao, fa tsy hiandry 2030 ny fisandratana, fa 5taona itondrako dia mandroso Madagasikara, sady efa ao ny IEM-nao sy ny vola, zao iha mivola fa mila 4 mandats vao ho tafaboaky Madagasikara, norimaly avao enao sy ny mpanaradia anao amin’izany? Lasa 2e plus pauvre de la planete ny gasy noho iha, ary moins -7,13 ny taux economique. Aboahy volamena 73kg , sy 47kg, sy volamenan’i Tsiliva. Aboahy bonbon sosety, aboahy ecran plat Airmad maty … Tsy misy raha manjary eto Madagasikara. Taonan’ny fijoroa ity taona 2022 ty ho an’ny Rmdm. Ny olo barabara no abarabarainareo fa tsy ny vahoaka tonga saina”, hoy ny fanambarana.

Raha ny momba an’i Melaky manokana, tsy mba voaresaka nandritra ny kabarin-dRajoelina tamin’ny faran’ny taona ny fanamboarana ny lalampirenena mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy i Maintirano, hita fa toa adinon’izao fitondrana izao tanteraka ny any amin’iny faritra afovoany andrefan’i Madagasikara iny.