Seranam-piaramanidina vaovao Ivato – Nosazian’ny banky Môndialy ireo orinasa 3 nanao izany

Voalaza fa nisy kolikoly tamin’ny fanaovana ny seranam-piaramanidina vaovao eny Ivato, noho izay antony izay, nosazian’ny Banky Iraisam-pirenena na ny Banky Môndialy ireo orinasa 3 lehibe nanatanteraka ny asa. Nosazian’ny Banky Iraisam-pirenena ny orinasa « COLAS MADAGASCAR S.A », « ADP INTERNATIONAL S.A » ary ny « BOUYGUES BÂTIMENT INTERNATIONAL », noho ny hosoka sy kolikoly nataon’ireto farany, ka nahazoany ny tsena tamin’ny tetikasa fanitarana ny seranam-piaramanidina IVATO sy tao Nosy Be. Tsy fahazoan-dalana manao ireo tetikasa vatsian’ ny Banky Iraisam-pirenena vola mandritra ny 2 taona no sazy nomena ny orinasa Colas SA sy ny « CMBI SNC » izay iray vondrona aminy.

Araka ny fantatra, nikarakara fihaonana manokana tamin’ireo mpikambana tao amin’ny governemanta tamin’ny Fitondrana Hery Rajaonarimampianina ity orinasa lehibe ity, teo anelanelan’ny 4 febroary 2015 sy ny 4 mey 2015 kanefa ny tolobarotra momba ny asa fanitarana, sy fitantanana ny seranam-piaramanidina mbola mandeha. Noheverina ho nisy araka izany ny kolikoly avo lenta nataon’ity orinasa lehibe ity, ka nahazoany ny fanaovana ny asa. Voasazy 24 volana ihany koa ny orinasa « ADP International S.A.» noho izy ireto nanatrika ity fihaonana tsy ara-drariny tamin’ny goverenemanta nokarakarain’ny COLAS S.A. ity.

Tsy afaka mandray anjara amin’reo tetik’asa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola mandritra ny 24 volana ihany koa ny «ADP International S.A. » sy ireo iray vondrona aminy toy ny «ADP Ingénierie », « ADP Airport Services », « ADP do Brasil Participações », « ADP International Americas LLC », « ADPM Mauritius » , « Aéroports de Paris Management 3 », « Airport International Group » , « Airport Management Company », «Airport Services de gestion et gestion de l’aéroport de Jordanie ».

Isan’ireo nandray anjara tamin’ity fihaonana tsy ara-drariny tamin’ny governemanta malagasy ity ihany koa ny orinasa frantsay iray « Bouygues Bâtiment International » . Ity farany izay mahazo mandray anjara amin’ireo tetik’asa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ihany, saingy misy fepetra ny fahafahany manao izany. Tokony hisy koa ny sazy ho an’ireo mpikambana tamin’ny governemanta Rajaonarimampianina raha izany, momba ity raharaha ity, satria tsy misy ny kolikoly, raha tsy misy ny mpandray izany.