Pro Ravalomanana any dilambato – Nirary soa ny filoha Ravalomanana sy ny vahoaka Malagasy koa

Nangonin’i Niaina

Noho ny taona vaovao izao, nitondra firariantsoa ho an’ny Filoha Marc Ravalomanana, sy ny vahoaka Malagasy ny fikambanana Pro Ravalomanana any dilambato:

“Andriamatoa filoha Marc Ravalomanana, amin’izao fivalonan’ny taona 2021 izao dia mahafaly anay vondrona miandany sy manohana anao (Pro Ravalomanana aty an-dilambato) izay ahitana ny TIM Frantsa, GTT Idf, GTT La Reunion, fikambanan’ny Vehivavy Vonona sy Sahy aty an-Dilambato (VVSD), ny mpiombona ao anatin’ny K25 Benelux sy Frantsa sy ny K2 ary ny Vondron’olon-tsotra, ny miarahaba anao sy ny ankohonanao ary ireo mpiara-miasa tsy ankanavaka sy ny Malagasy tsy vaky volo nahatratra ny farany.

Maro dia maro tokoa ny adidy miandry antsika rehetra fa indrindra ianao lohany izay andraindrain’ny vahoaka Malagasy ao an-tanindrazana sy aty andafin’ny riaka. Ny taona vaovao izay ho diavintsika mantsy andriamatoa Filoha, dia kihon-dalana hanana lanja manokana hanomanana ny ho avin’ny firenena malalantsika.

Mafy tokoa ny sedra nandalovantsika Malagasy, nandritra iny taona 2021 izay nifarana iny kanefa araka ny foto-pisainana nampitainao manao hoe “AZA MORA KIVY FA SAHIA” (Never Give Up) dia vonona hatrany ny Pro Ravalomanana, hanohy ny asa efa natombony ho an’ny Tanindrazana iombonana.

Mirary anao sy ny ankohonanao, ny antoko sy ny mpiara-miasa ary ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka: fahasalamana sy hery ary indrindra ho eo ambanin’ny fitahian’Andriamanitra mandrakariva amin’izao fiafaran’ny taona sy ny taona vaovao izao izahay.

Enga anie isika hiaraka handingana miaraka ny taona 2022 amin-kafaliana sy fanantenana tanteraka ho an’i Madagasikara malalatsika”.