Lahateny faran’ny taona – Nirediredy na nampirediredena Rajoelina

Andry Tsiavalona

Tena nifety ary nanamarika izany ny fitangoronana tsy nisy toy izany teny amin’ny toerana malalaka rehetra teto an-drenivohitra. Tsy nahasakana ny olona ny orambe, na ny 31 desambra 2021, na ny 01 janoary 2022 hariva. Na izany na tsy izany nisy ny olom-pirenena, niandry ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina ny harivan’ny 31 desambra. Nanantena zavatra mivaingana hampivoatra ny fiainam-pirenena eo amin’ny sehatry ny toekarena, sy hanamaivana na hampiakatra ny faripiainan’ny vahoaka hananany fahefa-mividy mifanentana amin’ny fisondrotry ny vidin-javatra ilaina andavanandro tsy misy fanafana.

Ny heno dia ny nanaovany jeri-todika ny zava-bitan’izao fitondrana izao nandritra ny telo taona nivalona sy ny vinavinan-kasa ho tanterahiny amin’ity taona vaovao ity. Raha teo amin’ny zava-bita dia notanisain-dRajoelina Andry ireo fotodrafitrasa vita ka anisan’izany ny sekoly fanabeazana fototra (EPP) sy sekoly ambaratonga faharoa (CEG sy Lycée). Raha ny makety nentina nandravaka ny kabary dia nanara-penitra sy voaloko volon-dôranjy na ny seza, na ny latabatra, eny hatramin’ny gorodona (dallage) aza. Nasongadiny ihany koa ny nanomezana sakafo (cantine) ny mpianatra amin’ny sekoly ambaratonga fototra sasany.

Ny manahirana amin’ity sehatra ity dia ny tsy nanomezany ny anton’ny tsy nanorenana na trano fianarana na sakafo any amin’ireo fokontany efa ho roa alina eto amin’ny Firenena. Nolazain’ny filohan’ny Repoblika fa roa arivo mahery ny efitrano vita manerana ny Nosy, fa naninona no tsy roa alina satria raha ny vola nolaniana tamin’ireo kianja manara-penitra, toa ny Kianjan’i Mahamasina, dia nahavitàna sekoly maro. Tsy ny lokon’ny ao anatiny na ny seza na ny aro akanjon’ny ankizy, no hahafahana milaza fa manara-penitra ny sekoly, fa manara-penitra koa ve ny fanabeazana omena ny mpianatra?

Hita eto an-drenivohitra ihany koa ireo minisitera na toeram-piasana an’ny fanjakana tsy maintsy misy rindrina ivelany nolokoina volon-dôranjy na lokon’ny fikambanana “Fitia”. Zavabitan’ny fitondrana ireny ka tokony nasongadina tamin’ny makety ihany koa. Nahavita CSB maro ihany koa, hono, izao fitondrana izao ary nisy aza novatsiana fitaovana manara-penitra ihany koa izy ireny ary mamaimpoana ny fitsaboana ny valanaretina Covid-19. Ny hany mba nanaitra dia ny nanentanan’ny filohan’ny Repoblika ny hanaovana vaksiny kanefa tsy terena, hono, ny fanaovana izany fa an-tsitrapo. Tsy mahagaga loatra izany satria raha ny mifanohitra amin’izany no nolazainy dia nogain’ny vahoaka izy izay nanao izany antsokosoko, ny volana febroary 2021.

Nilaza ho nahavita làlana amina kilometatra maro ihany koa izy, ka notokanany izy tenany mihitsy no nitokana ireny. Taonan’ny asa indray, hono, ity taona 2022 ity, toy ny tamin’ny taona lasa ihany, ka raha làlana no resahina dia mbola tafiditra ao amin’ny vinavina indray ny Làlam-pirenena faha-13 izay tsy vita tamin’iny taona lasa iny kanefa nanambarany, fa tsy hanao politika izy raha tsy vita tamin’izany. Araka izany raha olona azo itokisana amin’ny zavatra nambarany (honnêteté intellectuelle) Rajoelina Andry dia efa nametra-pialàna.

Nirediredy na nampirediredena Rajoelina tamin’iny kabary nataony tamin’ny faran’ny taona iny. Ao anatin’ny foto-drafitrasa ho tanterahin’ny fitondrana ihany koa, naseho tamin’ny makety, ireo làlana mandika namana (bretelles) eny amin’ireo fivoahana amin’ny làlampirenena sasany eto an-drenivohitra. Tsy adinony ihany koa ny “auto route” Antananarivo-Toamasina, ny làlana mampitohy ny Faritra Atsimo Atsinana mihazo ny Faritra Anôsy. Taonan’ny asa tokoa, angamba, ity taona vaovao ity ka tsy ho toy ny tamin’ny taon-dasa izay nitokanan’izao fitondrana izao ireo fotodrafitrasa efa nahazoana famatsiam-bola tamin’ny fitondran-dRajaonarimampianina Hery.

Anisan’ny foto-drafitrasa ho tanterahan-dRajoelina Andry ihany koa ilay “téléphérique” izay efa nokianin’ny loholona frantsay iray, satria tsy hitondra fampandrosoana na fivoaran’ny fiainan’ny Malagasy velively. Nolazainy fa hanatsara ny tontolo iainana ity fitaterana vaovao ity, kanefa raha ny marina dia tsy hampihena velively ny fifamezivezen’ny fiarakodia eto an-drenivohitra ny fisiany. Raha ny fahitàna azy dia tsy hampindrana ny vola ilaina amin’izany ny fitondrana frantsay, ka raha izay no zava-misy dia hampiasa ilay “fonds souverain” indray izany Rajoelina Andry. Ny manantena tsy misy tokoa no sarotra, fa ny mamoy mora foana.