Filoha Ravalomanana – Nanamafy fa hanavotra ny firenena sy ny vahoaka Malagasy

Isambilo

Nifampiarahaba tamin’ny birao politikan’ny anto Tiako i Madagasikara (TIM), sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky, ny filoha Marc Ravalomanana mivady, teny Faravohitra ny sabotsy voalohan’ny volana janoary, fankalazana ny taom-baovao teo. Tamin’izany no nanamafisan’ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny RMDM Marc Ravalomanana, fa vonona hanavotra ny firenena sy ny vahoaka Malagasy izy, amin’izao firenena latsaka an-katerena izao, noho ny tsy fahaiza-manaon’ny fitondrana tarihan’ny filoha Rajoelina.

Tao aorian’ny 2021, taonan’ny fahasahiana, hoy i Dada, ho taonan’ny fijoroana ity taona 2022 ity. Tokony hisy ny fikaonandoham-pirenena hoy izy hanitsiana ny firafitry ny CENI, na ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana sy HCC, na ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana amin’izao fotoana. Efa nilaza ny filoha lefitry ny CENI teo aloha, fa nisy ny “doublon” an-tapitrisany tamin’ny fifidianana tamin’ny taona 2018, ny filohan’ny CENI vaovao ankehitriny anefa hoy izy nilaza fa tsy nisy an’izany. Midika izany hoy ny filoha Ravalomanana, fa efa hitanila sahady ity rafitra mpikarakara fifidianana eto amintsika amin’izao fotoana izao ity.

Teo am-pamaranana, nirary soa ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka izy noho izao Asaramanitra izao: “ faly aho tena faly tokoa ary misaotra an’ Andriamanitra ny nanomezany indray ity taona vaovao ho fifampiarabahana sy ho firariantsoa niarahana amin’ ireo havana sy mpiara-miasa ity. Mirary taona feno fahasoavan’ny Tompo ho antsika vahoaka malagasy rehetra aho. Homba antsika mandrakariva Andriamanitra”.