Kaominina Alasora Avaradrano – Vita ny zaridaina ao amin’ny Rond Point Mandikanamana

Isambilo

Miezaka manatsara ny tanàna hatrany ny ao amin’ny kaominina Alasora distrikan’Antananarivo Avaradrano, tarihan’ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa, voafidy tamin’ny lisitry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM).

Vita soa aman-tsara amin’izao fotoana ny fanamboarana ny zaridaina ao amin’ny ROND POINT MANDIKANAMANA izay antsoin’ny maro hoe Rond Point Ambohimanambola, sampanana mankany Ambohimanambola sy mankany Ambohimangakely, raha avy any amin’ny kaominina Alasora avy any amin’iny By-pass iny. Anisan’ny vavahadin’Alasora io toerana io, hoy ny ben’ny tanàna, anton’izao fanamboarana natao izao.

Ankoatry ny zaridaina, dia misy ihany koa ny seza fipetrahana, ny kianja filalaovana boule na tsipy kanetibe, ary ny fitoerana fanariam-pako amin’io toerana io. Irariana ny hanajatsika ny fananana iombonana, hoy ihany ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa.