AFERAM-BOLAMENA (… TOHINY)

Volamena 49kg tratra tao amin’ny seranampiaramanidina Prince Said Ibrahim tao Comores ny Talata 28 Desambra 2021 (Sary nindramina)

Mifarana ny taona, toa mainty izay jerena,
Fa io mipoitra indray ny aferam-bolamena.
Ny lasa, tsisy tohiny, ny ngeza, tsy voakitika.
Ny hany mba voatana dia tsy iza f’ireo bitika!

Ny momba ireo taloha, naverina va re?
Tsy nandrenesam-peo ny banky foibe.
Ny dikany dia tsotra, navela hiova lasy,
Fa votsotra tanteraka ny haren-dRamalagasy!

Miverina indray ny resaka maloto,
Satria ny fitondrana, voahodidin-jiolahimboto!
Mpibizina no betsaka sy mpiaraka misaosy.
Ny tanjona iombonany dia hoe: “ny hameno paosy”!

Toa tena tsangan’olona ireo olon’ny ladoany,
Hatramin’ireo mpisava sy mpiaro sisintany.
Mibanaka tanteraka ny haren’ny firenena,
Fa sendra izay mpitantana, jiolahy sy tia tena !

Hanampy an`i Kaomoro no eso , vazivazy,
Ka `zao ireo volamena , avela mba ho azy ?
Mihevera ry mpitondra dia fero izay tenenina,
Fa be no tsy voalanja sy efa mampanenina !

DADAN’i ZINA (30-12-21)