Pr Stephan Narison – Milaza ireo faniriany hisy eto amintsika amin’ity taona 2022 ity

Pr NARISON Stephan

Nangonin’Isambilo

Naneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena, sy ny faniriany hitranga eto amin’ny firenena amin’ity taona 2022 ny mpikaroka, sady mpandinika ny raharaham-pirenena Pr Stephan Narison, izay manam-pahaizana Malagasy miasa any ivelany amin’izao fotoana izao.

Iriana hoy izy tsy ho nofy sy rendrarendra intsony ny maquette sy velirano ary ho tena manara-penitra sy voahevitra ary ho voatontosa antsakany sy andavany ireo tetikasa kasaina hatao. Iriana ho tapitra ny fampanantenana poakaty, ny kolikoly sy ny trafika avo lenta. Tokony hazava ny fitantanana ny vola notrosaina sy ireo azo ary ho azo amin’ny covid-19. Tokony hitady vahaolana maharitra momba ny sosialim-bahoaka ny mpitondra, iadiana amin’ny fahantrana, ny kere, ny vidim-piainana,… fa tsy hamono afo amin’ireo fanampiana vonjy maika: Vary Tsinjo, Tsena Mora, Trano Mora, fanomezana samy hafa,…

okony hiaro ny vahoaka sy ny zony ny mpitandro filaminana, fa tsy ho hery famoretana ary tsy hifidy tavan’olona sy harena ny fitsarana. Tsy tokony handany vola amin’ireo tetikasa tsy misy tombontsoa mivantana ho an’ny vahoaka, fa ho an’ny olom-bitsy manam-bola sy orinasa lehibe (telepherique) ny mpitondra. Ary tsy hamafy lainga sy tsy hanasara-bazana ny vahoaka Malagasy ny mpanao politika ary tsy hanao propagandy mandavataona intsony ny fitondrana.

Ankoatra izany, mijoroa maneho ny hevitrao fa zonao izany, hoy Pr Stephan Narison. Teo ampamaranana, nirary soa ho an’ny vahoaka Malagasy koa izy: “hitondra soa, fahombiazana, fahasalamana, fitiavana sy fitoniana ho antsika rehetra anie ity taona vaovao ity”, hoy izy.