Fifamoivoizana faritra Boeny – Potika sahady ny lalana Katsepy, Namakia, Soalala

Aly

Potika sahady amin’izao fotoana ny lalana Katsepy, Namakia, Soalala any amin’ny faritra Boeny iny. Sahirana noho izany ireo mampiasa izany lalana izany, ny mpandeha tsy maintsy miala mandeha an-tongotra amin’ny faritra sasany, ny fiarakodia tsy afaka, voatery tsy miaintsy tarihana. Raha tsiahivina anefa dia vao haingana no nasiam-panamboarana ny lalana mampitohy an’i Kaptsepy, Namakia any amin’ny distrikan’i Mitsinjo ary ny distrikan’i Soalala ity dia izao simba sahady, tena ratsy sy mamotaka ary malama tokoa ny lalana, maro ireo fiara tsy afaka sy mihitsoka ary samba, indrindra ireo fiara-vaventy mitatitra entana, noho izany dia lasa mandeha dia an-tongotra kilometatra maromaro ireo mpandeha mamonjy tanàna mandrapahafaky ny fiara. Ny saran-dalana rahateo dia niakatra noho izany, lasa 15000 Ar, raha 12000 Ar teo aloha. Toa kitoatoa fotsiny arak’izany, ny lalana namboarin’ny governoran’ny faritra Boeny tamin’ireo toerana ireo.