LAINGA VE NO ISANTARANA?

Vao manomboka dia lainga no kabary nisantarana?
Io no rivotra iainana ary lasa fahazarana?
Ny manitatra hatrany no hany mampipingapinga,
Ary ny hizara habobo, izay no tena mahakinga?

Marobe ny antontanisa nolazainny filoha,
Saingy izao ny hopitaly lasa fasana mivoha,
Satria ny vidim-panafody sy ny saram-pitsaboana
Dia midangana ary vitsy izany hoe mba maimaimpoana!

Ontsa anao ny firenena ry mpitarika malaza,
Tsy mitsahatra mandainga sady mifanahin-jaza!
Aiza izay tanamasoandro no tsy hita nanjavonana?
Ahoana ny aminny velirano izay madera am-panononana?

Vao manomboka ny taona dia efa maizina ny tany.
Eo ambony fahoriana ianao no mihoerahoera hatrany.
Tena tsy ao anatinao ny kalitaonny hoe “mpitarika”
Hanome modely tsara sy karazan-toromarika!

Tsisy vidiny aminao ny fahantranireo vahoaka,
Ry mipetraka eny ambony nefa dia tsy misy hapoaka!
Efa matroka sahady itony taona vaovao,
Ka raha omena isa ianao dia “aotra roa” no azonao!

TSIMIMALO (02-01-22)