Kaominina Talatamaty – Olona 2000 mahery nahazo vatsy sy solombodiakoho noho ny fety

Isambilo

Olona miisa 2000 mahery, nahazo vatsy sy solombodiakoho, avy amin’ny kaominina Talatamaty distrikan’Ambohidratrimo, noho ny fetin’ny Noely sy ny fetin’ny faran’ny taona hiandrasana ny taona vaovao. Omaly ny tao anivon’ny fiadidiana ity tanàna ity, notarihan’ny ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominique, no nizara izany fanampiana sy fanomezana ho an’ny mponina izany.

Nandritra izany, no nanaovany jery todika ny asa vitan’ny kaominina, nandritra ity taona 2021 ity. Nisy ny tsy vita tamin’ireo vina napetraka hoy izy, fa maro koa ny zava-bita tamin’ity taona ity. Teo ny lalana vita rarivato miisa roa ao amin’ny fokontany Amborompotsy mirefy 500 m, sy ny ao amin’ny fokontany Faralaza mirefy 350 m. Eo amin’ny lafiny fandriampahalemana sy fanazavana ny tanàna, jiro mandeha amin’ny masoandro miisa 250 no voapetraka amin’ireo fokontany mandrafitra ny kaominina Talatamaty tamin’ity taona ity.

Teo amin’ny lafiny fahasalamana, navaozina sy nohatsaraina ny CSB II Talatamaty amin’ny maha-tompon’andraikitra ny fiadidiana ny tanàna, amin’ireny foto-drafitrasa ara-pahasalamana ireny, sy noho ny fisian’ny valanaretina amin’izao fotoana. Teo amin’ny lafiny fampianarana hoy ny ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominique, EPP miisa roa no vita ny fanavaozana azy dia ny EPP ao Tanjondava sy ao Mamory. Manana olana amin’ny resaka rano koa i Talatamaty, fokontany roa no tena voakasik’izany dia Amborompotsy sy Ambohinambo, efa nampitaina amin’ny tompon’andraikitry ny orinasa Jirama ny fampidirana rano amin’ireo fokontany ireo hoy izy, miandry ny tohiny ny rehetra. Na azo lazaina ho sahirana aza ny rehetra tamin’ity taona ity, nahatratra 60% ny fampidiran-ketra tao amin’ny kaominina Talatamaty nandritra ny herintaona. Izany no nahafahana nanao ireo foto-drafitrasa, niampy ny fanampiana avy amin’ireo malala-tanana, sy ny avy amin’ny tetibolan’ny kaominina madiodio.

Noho ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taona vaovao izao, manatona ny vahoaka hatrany ny kaominina hoy ny ben’ny tanàna, noho izay antony izay, olona sahirana miisa 1400 no notolorana vatsy ary zokiolona miisa 600 no nomena solombodiakoho. Hiezaka hanohy ny asa sy hanatanteraka ny mbola tsy vita ny kaominina amin’ny taona ho avy 2022. Ankoatra izany, ny ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominique sy ny kaominina Talatamaty dia mirary taombaovao sambatra ho an’ny vahoakan’i Talatamaty sy ny vahoaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka.